Tsiroanomandidy – Dahalo 10 nangalatra omby 35 isa
Mbola mitohy hatrany ny fangalarana omby any amin’iny distrikan’i Tsiroanomandidy iny. Ny talata 25 oktobra lasa teo, tokony ho tamin’ny 10ora alina dia omby miisa 35 no indray voaroba tao Mandrosoarivo, kaominina ambanivohitr’Ankainonary. Dahalo 10 nitondra basim-borona sy fitaovam-piadiana maro samihafa no tonga tao an-tanànan’olona iray. Vantany vao nigadona tao izy ireo dia nanapotika ny fefy sady nandroaka ireo omby hivoaka ny vala. Avy hatrany ireo fokonolona nanatri-maso ny zava-nitranga dia nampiantso ny mpitandro filaminana. Rehefa tonga tao an-toerana kosa ity farany dia nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ireo fokonolona. Nisy ny fifandonana ka araka ny loharanom-baovao voaray dia olona iray tamin’ireo fokonolona no naratra mafy ary nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana izay akaiky indrindra. Omby miisa 15 kosa no tafaverina amin’ny tompony. Mbola mitohy ny fizahana ireo dahalo 10 ireo sy ny fikatsahana ireo omby 20 ambiny amin’izao fotoana izao.
Anna Ra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







