Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Psi Madagascar – Fisorohana ny vohoka aloha loatra

Fanampiana ireo mponina aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana amin’ny resaka fahasalamana sy fandrindrana ny fiainam-pianakaviana no tena antom-pisian’ny Psi (Population Service International) eto Madagasikara. Noho izany indrindra dia nanao fitetezam-paritra izy ireo nanentanana ireo tanora amin’ny voka-dratsin’ny vohoka aloha loatra. Manimba ny hoavy tokoa mantsy izany raha aloha loatra satria ny ankizy tsy maintsy taizana nefa etsy an-kilany koa tsy maintsy mitady izay hamelomana azy hany ka ny fianarana indray no tsy maintsy ajanona. Matetika lasa vesatra ho an’ny mpiara-monina amin’ny tena koa izany. Ny alakamisy lasa teo ireo tanora avy amin’ny Psi Madagasikara no nandalo tany mahajanga ary seho maro samihafa no nomanin’izy ireo ho amin’izany. Ny alakamisy sy zoma dia nisy ny hetsika Urban Dance izay nahavory tanora maro tokoa. Ankoatry ny fanentanana natao dia nisy koa ny fizarana kapaoty maimaimpoana.

N. R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre