Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Toamasina – Lozam-pifamoivoizana naharatrana olona roa, iray maty

Samy manana ny fomba fiasany ny mpitatitra rehetra amin’ny zotra nasionaly mampitohy ny lafivalon’ny nosy. Na mandeha maraina, miditra hariva any an-toerana na ny mifamadika amin’izay, miala hariva eto an-drenivohitra ary tonga maraina any amin’ny tanàna izay hitodiana. Asa miteraka fahareraham-batana indrindra ny asa fitaterana indrindra ny zotra nasionaly ka mitaky fahampian-torimaso hoan’ireo mpamily izany. Na eo aza izany dia tsy maintsy mpamily roa izy ireo no miantsoroka ny familiana ary mifandimby mandra-pahatonga na dia za-dalana sy matianina amin’ny asa familiana aza. Noho izany, afaka matory tsara ny iray mandra-piandriny ny anjarany. Ny tsy fanajana izay fitsipika izay indrindra no niteraka ity lozam-pifamoivoizana iray ity ny alakamisy 28 oktobra, tamin’ny maneno akoho na tamin’ny 3ora maraina, tany  Antampona fokontany Antongombato, kaominina Ranomafana. Fiara sprinter mampitohy ny lalam-pirenena faharoa. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia tsy voafehin’ilay mpamily intsony ny familiana noho ny tsy fahampiana torimaso. Tsy nisy mpandimby izy fa natoky tena loatra ka saika niezaka nifehy ny fitondrana ny fiara hatramin’ny farany. Vokany, vehivavy iray 48 taona no maty ary olona roa no naratra mafy tamin’ireo mpandeha rehetra tao anaty fiara. Nidina teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny borigady Ranomafana nanao ny fizahana sy ny famotorana ny amin’izay tena nahatonga ity loza namoizana ain’olona ity. Matetika dia tsy fitandremana no miteraka loza eo amin’ny asa fitateram-bahoaka satria betsaka ny te hisehoseho fa mahafehy ny asa familiana ataony ka minia tsy manaraka ny fitsipika apetraky ny tompon’andraikitra. Tokony hotsaroana mandrakariva anefa fa miantoka ny ain’ny mpandeha rehetra ny mpamily ka tsy tokony hanao vinany amin’ny resaka fitaterana.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre