Sambava – Olona manan-katao tratra nitondra rongony 18kg
Ny fambolena lavanila, jirofo ary kafe no tena ahafantarana iny faritra avaratra atsinanan’ny nosy iny. Tato anatin’ny taona vitsivitsy nefa, toa nirongatra tokoa ny fambolena rongony tany amin’iny faritra iny. Tsy ampy iray taona mantsy izay raha tsiahivina dia nisy rongony nilanja 3,5 taonina avy any amin’iny faritra iny nokasaina hampiakarina teto Antananarivo saingy saron’ny mpitandro filaminana. Ny loharanom-baovao avy any an-toerana no nahafantarana fa misy tambajotra efa avo lenta mampiakatra izany fa tsy voatery ho betsaka fotsiny. Be tokoa moa ny mpanjifa azy ity ary azo antoka io tsena io satria eritreretina fa mitombo hatrany ny filan’ireo olona efa miankin-doha aminy ka tsy ho tapaka mihitsy ny tsena noho izany. Ahitana tombony be dia be koa izy io hany ka manintona olona maro ny fivarotana azy. Ny alarobia lasa teo àry dia nahatratra rongony milanja 18 kilao ny zandary mpanao fisavana any amin’ny lalam-pirenena faha-5A, mampitohy an’i Sambava sy Antalaha. Nihilana ny andro tamin’izay, tany amin’ny fokontany Sahanjana kaominina ambanivohitr’Ambohitsalanana, dia nanakana Jeep vaovao sy hika farany ireo polisy, mbola nanana laharana wwt ity fiara ity, ka tamin’izay no nahatratrarana io rongony io, natao tanaty valizy izy ity ary efa voafono mizarazara ohatran’ny hoe efa tonga dia amidy avy hatrany. Lehilahy tokony ho 40 taona teo no nitondra ity fiara ity ary raha ny fijery azy dia tsy ampoizina ho mpitondra na mpifoka rongony izy ity. Mihaingo tsara, maontina, ary miravaka volamena manko izy io. Nalefa tany Antalaha teo noho eo ity lehilahy ity noraisina am-bavany. Ny fiara kosa dia nampidirina forrière. Ny zandary tao Antalaha no nisahana ny famotorana ity raharaha ity ary any an-toerana ihany no hotsaraina.
Ny Tsiky. R
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







