Bemaitso Ambatondrazaka – Mifanitsa-kitro ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany
Faritra manana harena an-kibon’ny tany betsaka tokoa raha iny faritra Alaotra-Mangoro iny. Araka ny tatitra nataon’ny One (office national pour l’environnement) dia misy 125 tapitrisa taonina ao ambany tongotr’ireo mponina any. Ao ireo akora ilaina amin’ny fitrandrahana indostrialy toy ny cobalt, nickel…, izay trandrahan’ireo orinasa lehibe vahiny sy malagasy vitsivitsy ary ao koa ireo akora sarobidy toy ny volamena, rubis sy cristal, izay ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna tanteraka ny fitrandrahana azy. Efa an’arivony maro ireo olona lasa nitady harena any amin’iny faritra iny. Tato ho ato anefa dia manenika ny arivo tampoka izany isa izany noho ny fahitana kariera vaovao misy volamena sy vato sarobidy tao amin’ny kaominina Bemaitso, distrikan’Ambatondrazaka. Avy amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara ireo mpandraharaha mpitrandraka vato ireo ary samy mitondra ny fahaiza-manaony tsirairay avy sy vola oentina anakaramaina mpiasa. Ireo ankizy sy olona mahantra any an-toerana matetika no alain’ireto mpitrandraka ireto ary mikarama vary masaka matetika izy ireo, rehefa mahita vato na volamena kely vao mba mandray vola. Iretsy mpandraharaha kosa etsy an-danininy mandany hatramin’ny 2 tapitrisa ariary isam-bolana amin’ny hofana hotely atoriana. Feno hipoka avokoa ireo hôtely sy trano fandraisam-bahiny ary miroborobo fatratra ny varotra ataon’ireo mponina. Tsy nahazo alalana hitrandraka anefa ny ankabeazan’ireo mpandraharaha any an-toerana fa taratasy namboamboarina niaraka tamin’ny manam-pahefana any an-toerana fotsiny no arantiranty eny. Miteraka fatiantoka be ho an’ny faritra anefa ny tsy fanajana lalàna toy izao.
Nangonin’I Tsiky
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







