Vous êtes ici :

Dimanche 15 Février 2026

ombre

Tsy ampy ny vokatra

Lasa sahady ny volana folo tamin’ity taona ity. Roa volana sisa dia hivalona tanteraka indray ny taona 2016. Taona izay nolazain’ny filoham-pirenena tany am-piandohana fa natao hiotazana ny vokatra. Raha atao jery todika ny tomban’ezaka dia nisy tokoa ny zava-bita izay noporofoin’ny fotodrafitrasa hita maso sy azo tsapain-tanana. Teo ihany koa ny fandaminana ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa ary ny fankatoavan’ny mpamatsy vola ny fampindramam-bola ho an’i Madagasikara. Tsy misy afaka handà fa tsy namokatra ny fitondrana raha ireny zava-bita rehetra ireny no jerena. Tsy mitovy anefa ny ambaran’ny tatitra sy ny zava-misy tena iainan’ny vahoaka. Na dia eo aza ireo vokatra heverin’ny mpitondra Fanjakana fa marobe dia mbola miaina tanteraka ao anatin’ny fahantrana sy ny tsy fahalavorariana ny vahoaka malagasy. Mbola misy saika ho isan’andro ny olona matin’ny hanoanana sy ny aretina noho ny tsy fisian’ny vola hamidy sakafo sy hitsaboana tena. Mbola anjakan’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny herisetra ary ny tsindry hazolena amin’ny endriny rehetra ny vahoaka malagasy. Nisy ny vokatra nefa tsy mifanaraka amin’izany ny fivoaran’ny firenena. Raha ny lojika no jerena dia tsy ampy ny vokatra. Izany hoe raha tsorina mivantana dia tsy nahomby ny asa fampandrosoana. Raha ity taona 2017 ity no hatao filamatry ny hoe taonan’ny fiotazana dia mampanahy be ihany ny hoavin’ny firenena. Raha fiotazana tsy hampiovana na inona na inona dia karazan’ny tsy nisy ihany izany. Amin’ny resaka fambolena izay nakàna ny voambolana “fiotazana” dia mitovy amin’ny taona fotsy ihany rehefa tsy ampy entina hampanan-karena ny vokatra azo. Tsy misy olona afaka milaza mihitsy fa nandroso i Madagasikara satria toa vao mainka aza mihasarotra isan’andro ny fiain’ny sarambabem-bahoaka. Mety nisy ireo lasa nanan-karena tampoka saingy olom-bitsy izy ireny. Matetika dia toa ireo mpanao politika sy tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny fitondram-panjakana no hita fa tena nivoatra be ny fiainany. Tsy misy mangaraharaha rahateo ny tena fidirambolan’izy ireny ary na misy aza ny fanadihadiana dia azo isaina amin’ny rantsan-tanana no iharan’izany. Tsy mahagaga raha mitabataba ny eny anivon’ny antoko mpanohitra izay milaza fa atao tantely afa-drakotra ny raharaham-pirenena. Tsy mihafihafy mihitsy ireo mpiasam-panjakana ambony amin’ny tranobe sy ny fiara raitra dia raitra ary ny zavatra maro izay volam-panjakana no nividianana azy. Betsaka amin’ireny fiara 4×4 vaovao be mivezivezy eto an-drenivohitra , sady mitety an’i Madagasikara ireny no fiaram-panjakana nefa lasa fitaovana fitondrana fianakaviana. Santionany fotsiny fa ny tiana hambara dia toa ireo olom-panjakana ambony sy tsara toerana eny anivon’ny minisitera sisa no hita fa mihatsara ny fiainany. Na ireo mpandraharaha ara-toekarena izay azo heverina fa tompon’ny vola sy ny harena eto amin’ny firenena aza dia mitaraina avokoa fa tsy mandeha ny fandraharahan’izy ireo ary maro ny matiantoka. Ny taona anefa lazaina fa fiotazana. Ny mpitondra Fanjakana ihany hatreto no mahita fa tena mahomby ny asa ataon’izy ireo. Tsy mahagaga izany ary tena lojika satria hita soritra fa tena mahomby sy mivoatra be avokoa ny fiainan’izy ireo fa tsy mitovy amin’ny fiainan’ny vahoaka tsy mandady harona. Hadinon’ny mpitondra fotsiny fa tsy azy ireo ity firenena ity ary nampindramina fahefana fotsiny izy ireo no sady mpiasam-bahoaka ihany koa. Herin-taona sisa no hijanonan’ny mpitondra ankehitriny eo amin’io fitondrana io. Sarotra inoana ny hahavitan’izy ireo manatanteraka ny asa fampandrosoana rehetra nampanantenainy raha ny zava-misy ankehitriny no jerena. Mbola mahantra ny malagasy ary tsy handroso atsy ho atsy ity firenena ity.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre