Fifidianana ligim-paritra baolina lavalava – Hiady amin’ny hosoka ny talem-paritra ao Amoron’i Mania sy Vakinankaratra
Akaiky tokoa ny fifidianana ho filohan’ny federasionina ny baolina lavalava eto Madagasikara, izay miainga avy any ifotony, manomboka amin’ny seksionina sy ireo ligy. Vola no miteny ka ankoatra ireo izay efa nahavita ny azy dia samy miezaka mametraka olona avokoa ireo ho mpilatsaka hany ka mihazakazaka manao “certificat de conformité” na fanamarinam-pisiana avokoa ireo fileovana misy na ny tsy misy. Hiadiana amin’ny hosoka dia nanao fitetezam-paritra Rakotomanga Ismael Santoni sy ny ekipany miaraka amin’ny tale mba handresy lahatra ireo talem-paritra ny tanora sy ny fanatanjahantena rehetra ka nampahafantatra azy ireo ny sata mifehy ny federasionina tena izy izay hoentiny manaporofo fa hosoka ny naparitany sy ny lalàm-pifidianana nalefany. Raha ny tokony ho izy dia tokony samy manao ny lalàm-pifidianany avokoa ny isan’ambaratonga fa tsy ny avy any ambony no manao izany.
Ny sabotsy lasa teo dia nitsidika ny talem-paritra ny tanora sy ny fanatanjahatena tao Amoron’i Mania sy Vakinankaratra ny tenany. Faritra izay mbola tsy nahavita fifidianana avokoa. Raha ny nambaran-dRatsimbazafy Harison Jacques Hugues, Talem-paritra ao Amoron’i Mania dia “maro tokoa ireo fileovana no mihazakazaka hanamboatra “certificat de conformité” herinandro mialohan’ny daty voatondro hanaovana ny fifidianana ny 2 novambra ho avy izao. Ary raha tsoriko dia tsy nanome aho na iray aza satria fantatro ny zava-misy. Filoha roa izay no nifanesy tsy nisy na zavatra iray aza vitany nandritra ireo fe-potoana niasan’izy ireo. Araka izany, hita fa mitotongana tokoa io taranja lavalava io eto aminay eny fa na dia be mpanao aza. Amin’ny maha talem-paritra ny tena dia mahatsiaro marary aho amin’ny fampandrosoana ny fanatanjahantena eto. Noho izany, tsy afaka hiandany amin’iza na amin’iza aho fa ny hataoko dia mba handresy lahatra ireo fileovana efa ara-dalàna mba hifidy izay olona tena hahavita zavatra ho an’ireo izay ara-dalàna hifidy” . Toy izany koa ny Tao Vakinankaratra, raha ny nambaran’ny talem-paritra Ravaoalimanana Lydia “tsy hahatanteraka io fifidianana io izy raha tsy mazava avokoa ny fandehan’ny fitsipika mifehy izany. Eo ny avy any amin’ny minisitera sy ny avy any amin’ny taranja isany avy. Toy ny tamin’ireo faritra hafa moa dia nisy ny fanolorana baolina kitra, basikety, volley ball, hand ball izay avy amin’ny mpiara-miombon’antoka dia ny Prince de Monaco sy ny “Peace and sport” nataon’i Santoni hoan’ny talem-paritra isany ho fampandrosoana ny taranja rehetra”.
Safidy Andrianina
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







