Vous êtes ici :

Dimanche 15 Février 2026

ombre

Ikalamavony – Voasambotra ireo nitifitra ilay mpandraharaha

Voasambotra ny alakamisy teo ireo 4 mianadahy nitam-basy voarohirohy tamin’ny fanafihana fiara 4*4 tany Ikalamavony izay naharatrana mpandraharaha volamena iray sy nahavery ny vola 7 tapitrisa ariary. Raha tsiahivina dia ny marainan’ny talata 25 oktobra lasa teo, tokony ho tamin’ny 9 ora maraina no nitranga ity fanafihana ity tany Antsambalahy, fokontany iray miala 5km eo an’Ikalamavony. Niandrasan’ireo jiolahy tamina lalan-dratsy ilay fiara ka iny somary nandeha mora iny no raikitra ny tifitra variraraka. Voatifitra teo amin’ny tendany ilay mpamily ka voatery nijanona. Nanararaotra mora fotsiny ireo jiolahy avy eo naka ny vola mitentina 7 tapitrisa ariary, ny findain’ireo olona rehetra tao anaty fiara, ny firavaka rehetra teny amin’izy ireo ary valisy maromaro. Mbola afaka nitondra ilay fiara nankany amin’ny hopitaly anefa ilay mpitondra na dia efa naratra mafy sy very ra betsaka aza.

Araka ny loharanom-baovao dia fantatra fa mpandraraha mpitrandraka volamena ity niharan-doza ity ary Randrianarivo Samuel no anarany. Mety olona manodidina azy ihany no nanomana ity fanafihana ity, olona mahafantatra tsara azy sy ny fombafombany satria efa fanaony mantsy  ny mandeha amin’iny lalana iny. Olona mpikarama an’ady ireo mpanafika rehefa tena dinihina satria nahay nifehy tsara ilay basy matoa tonga dia teo amin’ny tendany mihitsy no voa nefa ny fiara mandeha. Efa mahatsiaro tena tsara izy amin’izao, ny tsy fahafahana miteny tsara no tena takaitrany ary nilaza izy fa mbola afaka tsara manondro ireo mpanafika azy. Natao àry ny fanadihadiana ka olona 4 no voasambotry ny zandary tamin’ny alakamisy lasa teo. Lehilahy ny telo,  vehivavy kosa ny iray. Tsy nisy niaiky ny heloka vitany ireto farany, ireo mpiray fiara tamin’i Rivo anefa nanamarina fa ireo no nahavanon-doza. Ireo mponina teo akaikin’ny toerana nitrangan’ny loza koa nanamafy izany. Nisy koa mpanao afera iray fantatra amin’ny anarana hoe solo voarohirohy ho mpiray petsapetsa tamin’ireo jiolahy ary nanaovan’ny zandary vela-pandrika ka nitolo-tena ary tsy sahy nanohitra. Voatazona niaraka tamin’ireo namany izy ankehitriny. Hiatrika fandidiana kosa ilay lasibatra ny alatsinainy 31 oktobra ho avy izao.

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre