Ceg any Tsiroanomandidy – Nisy nanodina ny 10 tapitrisa ariary
Nanjavona tao amin’ny Ceg andrefan’ny Gara Tsiroanomandidy ny vola mitentina 5,5 tapitrisa ariary sy ny fitaovana mahatratra 4,6 tapitrisa ariary. Ahiana ho ny talen’ny Ceg ihany no nanao izany fanodikodinam-bolam-panjakana izany. Tsy nety namerina ny vola nefa ity farany ka nametraka fitoriana ny Dren Bongolava. Vola fampandehanan-draharaha sy tsipaipaikan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ho karaman’ireo mpampianatra Fram ity nanjavona ity. Mety hisy akony ratsy amin’ny fampianarana any an-toerana izany. Nandalo fitsarana izy ka ny talem-paritry ny fampianarana any an-toerana indray no nolotoiny. Nolazainy fa nanolana zaza tsy ampy taona. Sipan’ilay talen-tsekoly ihany anefa io zaza io, izay nandravany ny tokantranony mihitsy. Nitondra fanazavana mahakasika izany ity talem-paritra ity nandritra valan-dresaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety ary nolazainy fa misy ambadika politika izao raharaha izao.
Nangonin’i N.R
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







