Vous êtes ici :

Dimanche 15 Février 2026

ombre

Asan-dahalo – Omby aman’arivo lasa

Fanafihana goavam-be no nitranga tao Antanandava kaominina Ankaramena distrikan’Ivohibe tamin’ny marainan’ny alahady lasa teo. Dahalo efa ho 400 ary andiam-behivavy maromaro no indray nanafika tao amin’ity tanàna ity. Tsy nisy afa-nanohitra izany na ireo zandary vitsivitsy tany an-toerana na ny fokonolona noho ny hamaroan’ireo dahalo. Lasa avokoa ny ombin’ny iray tanàna izay mahatratra aman’arivony maro sy ny vola kely tao amin’ireo tokantrano. Nodoran’ireo dahalo ihany koa ny ankamaroan’ny trano fonenan’ny mponina tany an-toerana. Niandry fanampiana avy tamin’ny zandary manodidina ireo mponina ary niroso tamin’ny fanarahan-dia nefa niveri-maina fotsiny noho ny hery tsy mitovy. Maro tamin’ireo dahalo mantsy no nanana fitaovam-piadiana toy ny basy, famaky sns… Tsy nisy ny aina nafoy na dia nisy azan y fifandonana tamin’ireo malaso.

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre