Ambohimangakely – Vehivavy 28 taona tratra nangalatr’omby
Tsy misy tanàna na faritra tsy ahitana halatr’omby izany intsony eto Madagasikara, eny fa na dia aty an-drenivohitra aza. Any Kiangara, ohatra, any amin’ny distrikan’Ankazobe izany, dia maraim-ben’ny sabotsy 29 oktobra lasa teo, sahabo ho tamin’ny maneno sahona na tamin’ny 2 ora maraina tany ho any dia dahalo roa ka zazalahy kely vao 13 taona fotsiny ny iray amin’ireo nanafika. Nitondra irony basy « fusil de chasse » irony izy roalahy ireto ka rehefa raikitra ny fanarahan-dia dia nisy ny fifandonana. Matin’ny fokonolona tamin’izany ilay lehilahy iray somary efa lehibe satria 38 taona, antsoina hoe Papakely. Ilay tovolahikely kosa antsoina hoe Lino dia azo sambo-belona ary inoana marimarina fa ny fonja an-taonany maro no hiandry ity zazalahy ity.
Fa tetsy Ambohimangakely, kilometatra vitsy miala ny renivohitra, dia nitrangana halatr’omby ihany koa ny alin’ny zoma 28 oktobra lasa teo, tamin’ny 09 ora sy sasany alina na loha-tory. Nisy omby iray nifatotra teo an-tokontanin’olona iray izay nangalarin’ny vehivavy 28 taona eo ho oe monina ao amin’ny fokontany Manatenasoa. Tao amin’ny tananan’Amboniala, fokontany Ikianja kosa no niseho ny halatra ka novahan’ilay vehivavy ny fatoran’ilay omby ary noroahiny avy eo. Rehefa tsy hitan’ny tompony ny ombiny dia raikitra ny akora lava ka tratra tao andrefan’Andralanitra ilay ramatoa sy ny omby. Rehefa nohadihadiana ity farany dia nilaza fa saika hamidiny dimy arivo sy iray alina sy iray tapitrisa ny omby ka araka izany dia sahala amin’ny efa saika nisy handray ny entana. Tsy aty anivon-tany ihany koa no ahitana izany fa araka ny voalaza etsy ambony dia manerana ny nosy mihitsy, toy ny niseho ny faran’ny herinandro lasa teo tany amin’ny distrikan’Ambalavao, ary ankoatr’ireo fivezivezen’ny omby tsy misy taratasy any amin’ny faritra atsimo sy atsimo atsinanana.
Ny Tsiky R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







