Asa tsy mahavelona !
“Ndao hiara-hiasa hampandroso ny firenena!”. Tsy hadinon’ny Filoham-pirenena mihitsy io teny io isaka ny maneho hevotra mahakasika ny raharaham-pirenena izy. Mazava ny hafatra tiany hampitaina ary tsy misy iadian-kevitra ny fahamarinany satria ny asa ihany no hahafahana mampandroso. Raha tsy miasa tsy mamokatra ary raha tsy misy ny vokara tsy misy ny fampandrosoana. Ny olona tsy an’asa no mahantra satria tsy mandray karama dia tsy manam-bola. Ireny tsy an’asa ireny ihany koa no manamaro isa ny mpanao ratsy. Raha noana mantsy ny kibo, mivezivezy ny fanahy ka maro ireo voasarika hangalatra noho ny tsy fisiana. Mora anefa ny mifanome tsiny indrindra ho an’ireo olona tsy miasa izay lasa mpangataka na mpangalatra. Marobe ireo mpanao teny an’avona miharo latsa manao hoe “olona matanjaka be io koa maninona raha miasa”. Mora ny miteny izany satria raha ny lojika dia satrin’ny rehetra hiasa sy handray karama be toy ireo olona ambony eo anivon’ny fitondram-panjakana avokoa. Tsy misy olona kamo handray volabe sy hitavana tombontsoa tsy hitapesipesenina izany. Matoa ny olona tsy miasa dia tsy misy ny asa na misy ihany fa tsy mahavelona. Mahatratra amina hetsiny maro ny olona mipenimpenina isan’andro mitady asa hivelomana fa tsy mety mahita. Tsy manavaka mari-pahaizana fa na ny be diplaoma na ireo zara raha nianatra dia samy ianjadian’ny tsy fisian’ny asa avokoa. Ireo efa miasa indray zara raha mandray karama, sary mahavita herinandro akory ny vola raisina faran’ny volana. Mifikitra amin’ny asany anefa izy ireny satria aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy.
Raha ireo zava-misy ireo no jerena dia sarotra ny hanatanteraka ilay antson’ny filoha hoe “andao hiara-hiasa”. Mila ezaka be avy amin’ny fitondram-panjakana mantsy vao afaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny vahoaka. Omeo asa ny vahoaka fa tsy vitan’ny antso fotsiny izany. Maro ny vonona sy mahay araka ny tandrifiny avy fa ny asa mihitsy no tsy misy eto Madagasikara. Manaporofo izany ny fitarainan’ireo mpandraharaha malagasy izay voatery mampihena ny isan’ny mpiasany noho ny fatiantoka. Lasa antontan’isa ambony taratasy fotsiny sisa mantsy ny sehatry ny fananganana orinasa eto Madagasikara isan-taona. Ireo tanora mihevi-tena ho fetsifetsy dia manangana orinasa kely amin’ny sehatry ny fanerena toy serasera sy varotra amin’ny alalan’ny fanafarana sy fanondranana entana no betsaka. Tsy maharitra herintaona akory ny ankamaroan’ireny orinasa kely ireny dia manjavona. Ambonin’izany dia mbola betsaka ny asa fanambakana eny anivon’ny orinasa efa mijoro. Maro amin’izao fotoana izao ny orinasa mandray mpiana-draharaha amin’ny karama kely dia kely nefa ampanaovina asa fidiram-bola ho an’ilay orinasa izy ireny. Vahaolana iray tena fanaon’ny orinasa io amin’izay vitsy dia vitsy ny tena mpiasa raikitra omena karama ara-dalàna fa ny tanora mpiana-draharaha izay tsy mandray vola na mandray ihany fa kely no manao ny ankamaroan’ny asa mafy rehetra. Ny fahantrana eto Madagasikara hatrany no mahatonga izany rehetra izany nefa ny Fanjakana tsy mahavita mamorona asa ho an‘ny vahoaka. Tsy handroso mihitsy ity firenena ity raha toa ka mbola izao ihany ny zava-misy satria lasa vesatra ny ankamaroan’ny malagasy. Fitantanana tsy mahomby no mahatonga izany satria maro ireo tia tena sy fetsifetsy ka mangorona ny harena ho an’ny olom-bitsy. Ao anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana ao dia marobe ny olona mandray vola sy tombontsoa karazany maro nefa tsy hita izay tena asa sy vokatra omen’izy ireo. Betsaka ihany koa ireo mpanao kolikoly sy mpisoloky manodina ny volam-panjakana ho any am-paosiny. Mila fanadiovana lalina ao anivon’ireny mpiasam-panjakana izay heverina ho toy ny efa mpiara-miasa amin’ny filoha ireny satria tsy mitarika ho any amin’ny fampandrosoana fa vao mainka misintona ny firenena hilentika bebe kokoa ao any amin’ny lavaky ny fahantrana.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







