« Salon de la Sante et du Bien-être » – Niakatra 100% ny fanampiana ny fianakaviana omen’ny Cnaps
Ny fahasalaman’ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ireo mpiasa Ecd ary ny fiarovana ny ain’izy ireo eny anivon’ny orinasa dia isan’ny vaindohan-draharahan’ny tahirim-pirenena na ny Cnaps. Misy ny fampiakarana ireo karazana fanampiana ho an’ny mpiasa sy ny vady aman-janany. Eo koa ny fanafoanana ny tatao folo isan-jato amin’ny alalan’ny telovolan’ny Cnaps. Porofo izany fa mikatsaka hatrany ny fampiroboroboana orinasa sy ny tombontsoan’ny mpiasa malagasy tsy ankanavaka ny tahirim-pirenena. Ireo rehetra ireo no antony nahatonga ny Cnaps nandray anjara tamin‘ilay hetsika « Salon de la santé et du bien-être » na hetsika ara-pahasalamana sy fikolokoloana ny vatana, izay notontosaina tetsy Mahamasina ny herinandro lasa teo. Nandritra ny telo andro no nanatanterahana izany. Nisy ny trano heva sy ny loabary an-dasy nentina nanabeazana ny vahoaka fa zava-dehibe ny fitandroana ny ain’ny mpiasa mba hahafahana misoroka ny loza am-perin’asa ; ny tampoka mantsy tsy maha lehilahy , ka aleo misoroka toy izay mitsabo hoy ny fitenenana. Nandritra ny hetsika no nampahatsiahivana ireo mpitsidika ny tranoheva ny fiakaran’ireo fanampiana telo atolotry ny Cnaps ka 100% izany ho an’ny fanampiana ny fianakaviana ary 20% kosa ho an’ny solon-takaitran’ny loza am-perin’asa sy ny fisotroan-dronono. Marihina fa efa nivoaka tamin’ny 01 jolay ny didim-panjakana momban’ny fisondrotan’ny fisotroan-dronono, tamin’ny volana aogositra teo kosa ny mikasika ny fanampiana ny fianakaviana sy ny solon-takaitra. Tsy maintsy ho voatery miandry ny fivoahan’izany amin’ny gazetim-panjakana (Journal Officiel) ny Cnaps vao afaka mampihatra izany araka ny lalàna velona eto amintsika.
Nangon’i S.A
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







