Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Mananjary – Lasa atao fitaovana ifampifehezana ny afo

Niteraka resa-be tokoa tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo iny ilay vono olona natsiravina nitranga tany Mananjary. Raha tsiahivina dia ramatoa iray tsy nanaja ny fomban’ny Antambahoaka no novonoin’ny mponina tany an-toerana ary nodoran’ireto farany. Raha ny fantatra dia ninia nanipy henan-kisoa tao amin’ny doany iray fivavahan’ny foko Satrokefa ity vehivavy ity ka izay no nahatonga ireo tompon-tany hitraotra. Ny kisoa izay raisin’ity foko ity ho mariky ny fahalotoana rehetra, raha mipetraka amin’ny toeran’izy ireo isika ka raisina hoe olona iray no minia mandoto ny fiangonantsika, ohatra, moa ve tsy ho tezitra ihany. Nefa etsy andaniny tafahoatra ihany ny famonoana ho faty ilay vehivavy na amin’ny maha olombelona azy fotsiny aza, tsy misy resaka finoana. Amin’izao anefa dia misy ny loharanom-baovao milaza fa nirehitra ny tanànan’i Mananjary ary trano fonenana maromaro no kilan’ny afo tanteraka. Fifanandrifian-javatra ve sa tody no mahatonga izany, eo koa ireo olona milaza fa sazy avy amin’ny Zanahary… Misokatra àry ny ady hevitra.

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre