Diosezy Fianarantsoa – Namaranana ny fiofanana momban’ny lalàna mifehy ny asa
«Sekoly katolika miatrika ireo zo sy ny fiahiana ara-tsosialy ». Ny Diosezin’i Fianarantsoa no namarana ny fiofanana niarahan’ny Cnaps sy ny Dinec na ny fanabeazana katolika. Mitovy ny tarigetra hoy Révérend Père Ranaivoson Jules Sekretera jeneralin’ny Dinec : « Fantarina ny lalàna, jerena ny olana ary omena ny soson-kevitra fanatsarana ». Nampahafantarina ireo talen-tsekoly katolika ny mikasika ny lalàna mifehy ny asa sy ny fiahiana ara-tsosialy izay efa nanomboka tamin’ny volana jolay 2015. Toy ireo tany amin’ny Diosezy hafa rehetra efa nandray ny fampiofanana dia naharitra efatra andro ny atrikasa, izay nifantoka tamin’ny fampahafantaran’ny Cnaps ny asany sy ireo fanampiana omeny ny mpiasa sy ny vady aman-janany ary ireo andinin-dalàna mifehy ny asa. Aorian’ny Fianarantsoa dia haravona ho boky torolàlana ho an’ny mpitantana ny sekoly ny tolo-kevitra rehetra tamin’ireo Diosezy rehetra manerana ny Nosy.
Araka ny antontan’isa azo moa dia nahatratra 1 100 ireo talen-tsekoly avy amin’ny Diosezy 21 misy manerana ny Nosy mandrafitra ny fanabeazana katolika. Olana ho an’ny sekoly katolika any ambanivohitra anefa ny fahantrana, tsy manana ny ray aman-dreny ary tsy mahatakatra ilay karama farany ambany na Sme rehefa manefa ny karaman’ny mpanabe. Vokany dia tsy tafiditra anatin’ny vata-karama ilay vola 8% tokony ho latsakemboka aloan’ny mpampiasa any amin’ny Cnaps fa ilay 1% miala amin’ny karaman’ilay mpanabe ihany no voaefa. Ka izany rehetra izany dia nikaroham-bahaolana satria adidin’ny mpampiasa ny manefa ny latsakemboka mba hahafahan’ny mpiasa mahazo tombontsoa amin’ny Cnaps. Nankasitraka manokana ny mpitantana ny fanabeazana katolika ny avy eo anivon’ny Cnaps ary manamafy fa misokatra ho an’ny rehetra ny Cnaps.
Safidy Andrianina
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







