Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Mpangarom-paosy sy mpanendaka – Voajonon’ny mpitandro filaminana

Manoloana ireo fitarainana marobe voarain’ny polisy mahakasika ny firongatry ny  fanendahana sy ny harom-paosy amin’iny faritra Analakely sy Soaranao iny dia nanatanteraka hetsika manokana ny hery vonjy taitran’ny polisim-pirenena ao Tsaralalàna na ny Uir mba hisamborana ireo mpanao ratsy. Vokany, lehilahy miisa 04 no voasambotra teo am-panaovana ny asa ratsiny teny Soarano ny sabotsy 29 oktobra 2016 tontolo andro. Ny marainan’ny sabotsy dia efa nandeha teny an-toerana ny polisy nanara-maso sy nanao ny velam-pandrika rehetra ka lehilahy miisa telo vao 17 taona no tratra ambodiomby teo am-panendahana finday teo Soarano raha tafaporitsaka kosa ny iray namany hafa niaraka tamin’ilay finday tokony tamin’ny 11 ora antoandro. Tamin’ny famotorana natao azy telo lahy ireto no nahafahana nisambotra ilay iray tafatsoaka izay tratra teny Antohomadinika ny harivan’io andro io ihany. Mbola tratra tany amin’ity farany ilay finday avy nangalarin’izy ireo. Fantatra tamin’ny fanadihadiana natao fa efa nigadra teny Antanimora ny iray tamin’izy ireo noho ny fanendahana ihany. Natolotra ny fampanoavana androany alatsinainy, 31 oktobra 2016 izy ireo.

Loharanom-baovao : Polisy

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre