Ambatondrazaka – Nahemotra koa ny fifidianana
Araka ny nambaran’ny iray amin’ireo sefom-pokontany am-perinasa ao an-tampon-tanànan’Ambatondrazaka dia nahemotra tamin’ny ora farany ny fifidianana ho sefom-pokontany vaovao raha tokony ho tamin’ny alahady 30 oktobra 2016 lasa teo no nanatanterahana izany.Tsy nisy ny fanazavana avy tamin’ireo tompon’andraikitra hoy izy fa tonga dia baiko no voarain’izy ireo.Tombantombana no nanazavan’ity sefom-pokontany ity fa mety vokatry ny fahamaroan’ny olona ao anatin’ny fokontany lasa namonjy kariera mitrandraka vato no antony nanemorana izany ao anatin’ny fotoana tsy voafetra izay mety hampihena ny isan’ireo mpifidy. Ny ankamaroan’ireo olona nanaovana fanadihadiana kosa anefa dia efa maika tanteraka ny amin’ny hifidianana sefom-pokontany vaovao noho ny antony maro samihafa.Tsy eken’izy ireo rahateo ny fanendrena tompon’andraikitra fa aleo fidian’ny vahoaka ihany izany na tsy sefom-pokontany aza fa hatramin’ny sehatra hafa. Mbola tsy voafaritra na ny daty na ny vanim-potoana hanatontosana ity fifidianana sefom-pokontany vaovao ity.
Fa etsy andaniny dia niakatra izaitsizy ny vidim-piainana ao an-tampon-tanàna, hatramin’ny fotoana naha be vahiny tonga mitrandraka vato ao Ambatondrazaka.
Midangana
Tafakatra avo roa heny amin’ny vidiny mahazatra ihany koa ny akoho amam-borona rehetra. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fotoam-pikatonan’ny rano ny ao Alaotra ka tsy amidy malalaka ny trondro na dia misy hatrany aza ireo misitrika manao izany. Anisan’ny mampahazo aina ireo mpanararaotra mampiaka-bidy ny vidin-tsakafo rehetra izany. Raha ho an’ny any amin’ny toeram-pitrandrahana vato manokana kosa dia avo dimy heny ny fisondrotry ny vidin’entana. Nanambara ny olona mitondra varotra any an-toerana fa manodidina ny 15 kilao eo ho eo ny lanjan’ny entana vesarin’ny olona iray raha be indrindra noho ny fahasarotan’ny lalana mankany. Mahatratra hatrany amin’ny 1 500 ariary ny vidin’ny vary fotsy iray kapoaka. Feno hipoka avokoa ny trano fandraisam-bahiny rehetra ao an-tampon-tànana ary hatrany amin’ny tranon’olon-tsotra aza no efa tsy ahitana trano ahofa intsony. Mandeha ny tsena ho an’ny mpivarotra ary tsy maharaka ny asa fitaterana ho an’ireo mpisehatra amin’izany. Saika nahazo asa avokoa ny ankamaroan’ireo mpanao asa an-tselika ka anisan’ireny ny asa an-trano. Miteraka tombontsoa ho an’ny rehetra izao firoborobon’ny fitrandraham-bato izao araka ny nambaran’ireo mponina nanaovana fanadihadiana saingy ny fidangan’ny vidim-piainana kosa no tsy laitra.
Ange R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







