Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Kilalaon-jaza ny vidin-tsolika

Tsy fantatra intsony izay tena fomba fikajiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara fa toa manao izay danin’ny kibnony fotsiny ireo orinasa mpivarotra azy ireny. Mody ampidinina kely dia miakatra indray raha vao milamindamina ny hasosoran’ny vahoaka sy ny mpitatitra. Tampotampoka teo, tsy ranony tsy ventiny raha ny fitenenana tonga dia niakatra ny vidin-tsolika teny amin’ny mpaninjara. Ankoatra izany dia toa lasa be tsy handraofana fotsiny ireo orinasa mampiasa vola amin’ny fivarotana solika eto Madagasikara fa tsy hita izay tena fifaninana ataon’izy ireo. Raha ny tokony ho izy mantsy dia misy fifaninanana be any amin’ny vidin-tsolika amin’ireo orinasa samihafa. Tsy izay no mitranga eto fa ampitovian’izy ireo ny vidin’ny iray litatra. Tsikombakomba izany ary tsy ara-dalàna manoloana ny tontolon’ny fifaninanana ara-barotra malalaka. Mahagaga anefa fa toa mangina ny fitondram-panjakana. Ny ofisim-pirenena momba ny solika indray aza no milaza fa miankina amin’ny fiovaovan’ny vidin-tsolika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no mampiaka-midina izany eto amintsika. Toa tsy maharesy lahatra ny vahoaka sy ny mpitatitra intsony io fanazavana io satria niaraha-nahita ny fidinan’ny vidin-tsolika iraisam-pirenena izay efa tena lasa ambany dia ambany nefa ny teto Madagasikara zara raha nihena.  Raha vao miakatra kely anefa ny solika any ivelany dia midangana be indray ny eto amintsika. Tsy fanazavana rahateo no ilain’ny vahoaka fa vahaolana. Ny mpitondra Fanjakana rehetra nifandimby teo dia nahavita nitazona ny vidin-tsolika tsy hidangana be hatrany. Ny tetezamita aza, izay lazaina hatrany fa tsy ara-dalàna sns, dia nahavita nametraka mazava ny fetra ambony indrindra amin’ny vidin-tsolika zakan’ny fahantrana eto Madagasikara. Ankehitriny kosa dia lasa ataon’ny mpamatsy vola sy sehatra iraisam-pirenena takalon’aina ny Fanjakana ka tsy afaka ny miditra an-tsehatra mivantana amin’ny famerana ny vidin-tsolika.

Mitovy ihany ny zava-misy satria rehefa miakatra be ny vidin-tsolika dia voatery manome vola fanampiana ireo mpitatitra ny mpitondra Fanjakana mba tsy hiakaran’ny saran-dalana. Mizàna tsindrian’ila sy karazan’ny fanaovana tsinontsinona ny hafa ihany anefa izany satria tsy ny mpandraharaha amin’ny taksibe ihany no mampiasa solika eto Madagasikara fa ny mpitatitra hafa sy ny olon-tsotra ihany koa. Mazava ho azy fa hiteraka fiovana lehibe amin’ny fisondrotry ny vidim-piainana izao fiakaran’ny vidin-tsolika tampoka izao. Tsy maintsy hampiakatra ny saran-dalana ihany koa mantsy ireo mpanao fitateran’entana ary dia hanaraka izany ny vidin’ny entana rehetra ilaina andavanandro. Mila jeren’ny fitondram-panjakana akaiky ity resaka vidin-tsolika ity satria ankoatra ny fahasorenana aterany dia miteraka disadisa sy fikorontanana amin’ny fiainam-bahoaka ihany koa. Io izao ny mpitatitr’olona an-tanàn-dehibe fa efa manomboka mila vaniny mitady hampiakatra ny saran-dalana ihany koa. Fepetra apetrak’izy ireo mba hisorohana izany ny hampakarana ny vola fanampiana fanomen’ny Fanjakana ho an’ny taksibe tsirairay. Efa mahatratra amina miliara anefa  ny totalin’io vola io.

Vahaolana maharitra efa naroso hatramin’ny ela ny fitrandrahana ireo solitany eto Madagasikara nefa toa resaka any ankibon’ny… omby no betsaka. Malaza tsy hihinanana toy ny vilian-tsahona fotsiny izany Bemolanga izany ary efa an-taonany maro izao ny fitrandrahana ao Tsimiroro no nampanantenaina nefa tsy hita izay vokatra nivoaka sy ny tombontsoa avy aminy. Izany toe-javatra izany dia mampiseho fa tsy maintsy mbola miankin-doha amin’ny fanafarana solika any ivelany fa tsy afaka hiandry ny fitrandrahana izay Ambatobevohoka eto an-toerana. Izany hoe manana andraikitra haka fepetra tsy hampidangana ny vidin-tsolika ny Fanjakana. Ireo mpanafatra sy mpaninjara solika dia milaza fa ny habetsahan’ny hetra sy haba no tena mampiakatra be ny vidin’ny lasantsy.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre