Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Lalam-pirenena faha 2 – Mianika tafo mihitsy ireo jiolahy

Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana eny amin’ireny lalam-pirenena ireny ary efa ho izy rehetra mihitsy amin’izao no lasa faritra mena. Tsy mifidy fotoana hanatanterahana ny asa ratsiny tokoa mantsy ireo jiolahy fa na amin’ny alina na amin’ny antoandro dia mampitondra faisana ireo fiara mpitatitra olona izy ireo. Mitaraina amin’izao fotoana izao ny mpitatitra taksiborosy amin’iny lalam-pirenena faha 2 iny satria manao ny ataony tokoa ireo jiolahy sy malaso. Araka ny vaovao azo tamin’ireo mpitatitra dia tsy manakan-dalana intsony indray amin’izao ry zalahy fa efa mianika tafon’ny fiara mihitsy sy mandidy ny labasy ary maka ireo entana taterina rehetra. Manomboka eo Brickaville no tena isehoan’izay tranga izay ka mandra-pahatonga any Foulpointe sy any Fenoarivo-Atsinanana. Raha ny nambaran’ireo mpitatitra dia manararaotra ny haratsian’ny lalana ireo mpangalatra ireo. Hita tokoa fa tena miha potika aoka izany ny lalana any amin’ireo toerana voalaza ireo ka izany no tena mampirongatra ny asan-jiolahy. Ny herinandro  lasa teo dia fiara roa no lasibatr’ireo jiolahy ary baoritra feno fanafody sy menaka no lasan’izy ireo tamin’izany. Raha ny nambaran’ireo mpitondra fiara dia tsy naheno ary tsy nahafantatra akory ny fisian’ireo mpangalatra nianika fiara ireo akory izy ireo ary rehefa tonga tany an-toerana vao gaga fa tsy nisy entana intsony tao ambony fiara. « Efa mahafantatra ny zava-misy ny mpandeha ka tsy misy tezitra fa tsy maintsy manolo kosa izahay satria tompon’andraikitra amin’ny mpandeha sy ny entan’izy ireo», hoy i  Simon, mpikambana ao amin’ny fitaterana Kofimanga. Manaitra ireo mpitondra fanjakana noho izany ireo koperativa mampitohy an’Antananarivo sy Fenoarivo-Atsinanana mba hanamboarana faran’izay haingana iny lalam-pirenena faha 2 iny mba hitsaharan’izao asa ratsy mambotry vahoaka izao.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre