Miandrivazo Menabe – Halatr’omby niafara tamin’ny fifampitifirana
Resaka halatr’omby vitsivitsy no fototry ny ady nifandonan’ny mponina avy ao amin’ny tanànan’i Bereha sy Ambalarano, izay samy avy ao amin’ny fokontany Ambalarano, kaominina ambanivohitry Soaloka faritra Menabe Distrikan’i Miandrivazo avokoa. Efa naharitra andro maromaro ny ady ary nifampihantsy hatrany ireo mponina avy amin’ny roa tonta. Tapaka anefa ny tady ka niafara tamin’ny fifampitifirana mihitsy izany. Lehilahy 4 avy ao Bereha nitondra basim-borona 2 no nifanehatra tamin’ny lehilahy 8 nivimbina basy 4 avy ao Ambalarano. Vokatr’izany, maty voatifitra avokoa ireo 4 avy ao Bereha. Rafitra nitsoaka kosa ireo avy amin’ny ankilany rehefa vita ny ady ary niery tao an-tanànany izy ireo sady narovan’iny mpiara-monina. Saika lasa adim-poko mahatsiravina no niafaran’ity tantara ity fa tonga ihany anefa ny zandary avy ao Soaloka nampisaraka ny ady ary saika hisambotra ireo 8 nahavita namono olona. Tsy mbola tratra anefa ireto farany fa efa nitsoaka lavitra rehefa tonga ny zandary. Nidina tany an-toerana ihany koa ny sefo distrikan’i Miandrivazo nijery ny zava-niseho. Mbola eo am-pikarohana ireo nahafaty olona hatrany ny zandary ankehitriny.
Ny Tsiky R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







