Vous êtes ici :

Mardi 10 Février 2026

ombre

Tribonaly Anosy – Voafonja iray nitsoaka

Fisolokiana fivarotana fiara no antony nisamborana an’ i Fano Randriamizaka. Niatrika ny fampanoavana omaly Alarobia 02 Novambra izy ary fidirana am-ponja vonjimaika no valiny azony tamin’izany. Noho ny olana amin’ny fitaterana anefa dia nalefa taksi izy nankany Antanimora ary narahin’ny zandary. Nony tonga teo Ankadivato teo amin’ny La Mascotte anefa dia nitsoraka nivoaka ilay taksi izy ka nihazakazaka nihazo ny lalana mankany Bel’air. Nanenjika azy ihany ireo zandary nanaraka azy saingy tsy tratra mihitsy izy. Mbola nirojo vy ny tanany saingy mety efa nisy olona niandry azy teny amin’ny manodidina teny satria vetivety izy dia tsy hita nefa manintona fijery ilay rojo namatorana azy. Raha ny vaovao azon’ny zandarimariam-pirenena dia mbola eto Antananarivo izy ankehitriny ary efa mandeha ny fikaroana azy. Mipetraka ao amin’ny Bm 11Bis Anjanatsimiova Ampitatafika i Randriamizaka Fano, izay teraka tamin’ny 26 May 1981. Iangaviana izay rehetra manana vaovao mikasika azy mba hampandre avy hatrany ny zandary.

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre