Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Tontolo ambanivohitra – Fanamboaran-dalana hiadiana amin’ny fahantrana

Noforonina tamin’ny taona 1998 ny Ong « lalana », ny fametrahana paikady maharitra hialana amin’ny fahantrana eny amin’ny tontolo ambanivohitra no tanjona isian’ity Ong ity. Anisan’ny asa iandraiketan’ny Lalana ny Dilk na Drafitra Itantanana ny Lalana Kaominaly izay tetikasa iray ametrahana politika fanamboaran-dalana hahafahana manampy ireo kaominina ambanivohitra amin’ny fampiakarana vokatra sy anamorana ny fifaneraserana hampisy ny fandrosoana maharitra. Ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny kaominina tsirairay amin’ny fitantanana, fikolokoloana ary fanamboarana lalana no tanjona ijoroan’ny Dilk. Haharitra enim-bolana ity tetikasa ity ary kaominina 6 no handray izany : Anjozorobe, Ambongamarina, Marovazaha, Betaotao, Amboasary Anjozorobe ary Ampasina Maningory. Olona eo amin’ny 350 eo no handray ny fampiofanana mifandraika amin’ity tetikasa ity fa antenaina ho tafakatra hatrany amin’ny 35 000 ny olona tena handray ny vokatsoa amin’izany. Efa vita amin’ny antsasany izao ity tetikasa ity, efa hita daholo mantsy ireo lalana tokony ho hasiam-panamboarana ary efa afaka miroso amin’ny fanaovana tombam-bidim-panamboarana. Ny fahafatarana ireo dia ahafahan’ny tompon’andraikitra mametraka sori-dalana maharitra eo amin’ny dimy taona eo arakaraka ny vola eo am-pelatanany. Tsy mbola voasoritra mazava anaty lalàna anefa ny atao hoe lalana kaominaly ka ilana fiara-miasa amin’ny kaominina tsirairay ny fanamboarana izany. Olona 14 no efa nandray fampiofanana, 2 isaka ny kaominina niaraka tamin’ny lehiben’ny distrika sy ny lefiny, amin’ny fifehezana ny fandaminana ny asa fanamboarana. Nianarana tamin’izany ny fanamboarana lalan-tany, ny fikarakarana azy ary ny lalàna rehetra mifehy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Ankoatra ny fanofanana ireo manam-pahefana sy ireo mpiasa mpanamboatra lalana dia hisy koa ny fanentanana ireo mponina hikarakara izay lalana efa vita.

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre