Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Toliara – Efa mitondra vohoka ny zaza 10 ka hatramin’ny 12 taona

Ny ankizy hono no hoavin’ny firenena. Maro amin’ny ankizy Malagasy anefa no tsy miaina amin’ny fotoana ara-dalana izany fahazazany izany dia mandray ny toeran’ny renim-pianakaviana. Amin’ireo faritra roa amby roapolo eto Madagasikara dia anisany ambony indrindra amin’ny tahan’ny zaza mitondra vohoka aloha loatra ny any amin’ny faritra Atsimo Andrefana.  Maro no mety ho antony mahatonga izany. Eo ny fanerena ny zaza hanambady aloha loatra ataon’ny Ray aman-dreny noho ny fomba maro samihafa. Eo koa ny fivarotan-tena ataon’ny ankizy. Fa tato ho ato kosa dia tranga hafa mihitsy no miseho satria dia ankizy samy ankizy tsy ampy taona no miroboka amin’ny firaisana ara-nofo ka  be no lasa mitondra vohoka tsy niriana. Ny toerana tena ahitana io tranga io ao Toliara dia ny faritra Mangily, Sanfily, Mahavatsy III, Andaboly, Anketa,  Tsimenatse I, II, III, Tanambao, Antaninarenina, Ifaty, Tsienengea iny no tena betsaka azy ireo. Ao Sanfily dia maro ny tovovavy kely izay vao 10 taona hatramin’ny 12 taona monja no efa misy mitondra vohoka, izay ankizy lahy 12 taona sy manodidina eo ihany koa no mahabevoka azy ireo. Mbola amin’ireo faritra voatanisa etsy ambony ireo ihany koa no tena ahitana ankizy tsy ampy taona mivaro-tena betsaka indrindra. Araka ny fanazavan’ireo vavolombelona dia  ny Alakamisy, zoma ary ny sabotsy no tena betsaka izy ireo no mivoaka alina  manenjika sy mijery ny ataon’ireo olon-dehibe mpivoaka alina indrindra moa amin’ny faran’ny herinandro. Misy amin’izy ireo no mamoin’ireo lehilahy miaraka aminy alohan’ny hirosoana amin’ny firaisana ara-nofo, misy ihany koa ny manao izany firaisana izany tsy misy fiarovana mba hanomezana fahafaham-po bebe kokoa ireo mpanjifa manambitamby vola be. Fa tsy vitsy amin’izy ireo ihany koa no iharan’ny herisetra ataon’ny lehilahy sasany. Efa mamo toaka na zava-mahadomely avy any amin’izay nalehany tany izy ireo na manana olana avy any an-tranonny any.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre