Vous êtes ici :

Jeudi 02 Mai 2024

ombre

Fanoherana malemilemy

Tsy mety mahomby mihitsy ny paikady rehetra ampiasain’ny mpanohitra entina handrodanana ny fitondram-panjakana. Tsy lojika ny zava-misy raha jerena satria iaraha-mahita fa tsy faly amin’izao fitondram-panjakana mijoro izao ny hevi-bahoaka. Vitsy dia vitsy mba tsy hilazana hoe ireo mahita tombontsoa manokana ao anaty fitondrana no mankasitraka ny mbola hijoroany. Anisan’izany ireo mpiasa ambony sy olom-boatendry ary mpanolo-tsaina an-jatony maro izay tsy haninon-tsy haninona fa manao izay hamenoana paosy fotsiny. Fantatry ny vahoaka ny fisian’ny olona an-jatony maro izay miliba sy manao tantely afa-drakotra ny volam-panjakana sy ny harem-pirenena nefa ny vahoaka miha mahantra fadiranovana andro aman’alina. Io antony io no mahatonga ny maro an’isa tsy hankatoa izao fitondram-panjakana izao ary milaza fa leo sy tofoka. Raha io zava-misy io no jerena dia toa mitarika mazava any amin’ny fahombiazan’ny politika fanoherana. Miombon-kevitra amin’ny mpanao politika mpanohitra izay milaza miara-mahita ny tsy fahatomombanana eo amin’ny asa fampandrosoana sy ny fitantanana ny firenena mantsy ny vahoaka maro an’isa. Mahagaga anefa fa tsy mahatarika olona ireo vovonana sy antoko mpanohitra maniry toy ny ahitra amin’izao fotoana izao. Tsy tambo isaina ary tsy tadidy intsony fa maro ireo karazana fikambanana miforona sy miseho ary manao fanambarana fa tsy mankasitraka intsony ny fitondrana mijoro. Zava-marina sy tena misy avokoa no resahin’izy ireo nefa tsy mahasarika vahoaka. Inona no antony? Tsotra ny valiny : tsy matoky ireny mpitsikera ireny intsony ny vahoaka. Sady mpivadi-dela mantsy izy ireny no tsy manana paikady mazava entina hiatrehana ny mpitondra fa toa manao vava tsy ambina sy praograma tandrametaka fotsiny. Mbola tsaroana hatramin’izao ny nafitsoky ny Afp izay nitarika vahoaka hidina teny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Ny omalin’ny andro voatondro hanaovana ny hetsika dia mbola nanamafy sy nanizingizina tamin’ny fampahalalam-baovao ireo mpitarika fa tsy maintsy tontosa ny hetsika na inon-kidona na inon-kihatra. Tonga tokoa ny vahoaka saingy niandry vasoka satria tsy nipoitra teny Analakely ireo mpitarika. Natahotra ny mpitandro filaminan’ny Emmoreg izy ary mandrake ity ny androany tsy hita nisehoseho tamin’ny fanambarana politika fotsiny. Karazan’ny nanondraka rano mangatsika ny afom-pitolomana efa nitsiry tamin’ny vahoaka malagasy iny hetsika iny. Io indray koa fa manondrana ny dinika ho an’ny fanavotam-pirenena. Mbetika milaza fa tsy mankasitraka izao fitondrana izao intsony, mbetika miteny fa vonona hihaona amin’ny mpitondra Fanjakana. Tampotampka eo milaza fa nandefa taratasy any amin’ny filoha frantsay. Tsy fantatra intsony hoe hanongana sa hitady marimaritra iraisana fa miovaova hevitra be ihany. Farany teo dia ny fangatahana fanafoanana ny fihaonamben’ny frankofonia indray no fanambaran’ny dinika ho an’ny fanavotam-pirenena. Karazan’ny rediredy ihany izany satria efa herintaona mahery ny rehetra no niteny tamin’ny mpitondra fa tsy laharam-pahamehana ho an’i Madagasikara io fihaonana io. Tsy nisy nihaino izany ary vao mainka aza ny mpitondra manao izay tratry ny heriny hahatontosa ny fihaonana. Raha ny lojika dia tsy misy azo atao intsony hanafoanana io fihaonamben’ny frankofonia io ary rediredy sisa ny an’izay mangataka izany. Raha tena manana finiavana hijoro marina ny mpanohitra rehetra dia mila mitambatra sy miray hevitra ary miara-dia hampisehoana amin’ny vahoaka fa tsy mitady seza sy fanakorontanana fa tena mijoro ho an’ny tombontsoa sy ny fanavotam-pirenena. Sarotra anefa ny fanatanterahana izany satria mpikarama an’ady no betsaka ary hatreto dia tsy mbola nisy nahavita nampiseho ny tena heriny hahafahana manohitra ny mpitondra. Tsy mahagaga raha manao izay tiany hatao ireto farany satria fantany mazava fa maivana be ny mpifanandrina.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre