Vous êtes ici :

Vendredi 17 Mai 2024

ombre

67 ha – Voambana antsy ilay resevera, mpandeha fito lasibatra

Tsy misy intsony ny toerana fiandrasana fiara fitateram-bahoaka tsy anjakan’ny Harom-paosy, ankehitriny. Tsy mifidy fotoana anaovana ny asa-ratsiny intsony ireo tonta kely fa na antoandro be nanahary na amin’ny alina dia manao ny ataony hatrany ry zalahy. Ary ny mampitolagaga dia tsy mifidy taona sy bika aman’endrika koa io asa anisan’ny ratsy indrindra io fa na zaza na efa antitra dia manao azy avokoa. Raha ny tatitra azo avy amin’ny polisy eto an-drenivohitra dia tsy latsaky ny 5 isan’andro ny fitarainana voarain’izy ireo mikasika fotsiny ny fangaronam-paosy sy ny sinto-mahery anaty taksibe. Mahakasika izany indrindra dia olona 7 be izao no indray lasibatr’ireo tonta kely teny 67ha tamin’ny Alarobia 02 novambra, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Teo amin’ny seranana iray fiandrasana fiara mankany Talatamaty sy Ivato no niseho izany. Finday miisa 8 ary vola mitentina 1 tapitrisa eo ho eo no lasan’ireo mpangarom-paosy tamin’izany. Raha ny voalazan’ireo olona lasibatra dia maromaro ireo tontakely no efa niandriandry olona ho asiana teo amin’ny  Vatobe  ary niandry fisisihana fotsiny izy ireo sisa. Sarotra tokoa ny fiandrasana fiara rehefa hariva ka voatery misisika ny mpandeha. Mody miakatra toy ireny mpanjifa rehetra ireny ihany ry zalahy ary eo am-pisisihana no anararaotan’izy ireo manao ny asany. Ilay resevera tamin’izany dia efa voambana antsy maranitra ka tsy afaka nanao na inona na inona. Nahita an’izany ny mpandeha roa tany amin’ny farany aoriana ka avy dia nihoraka. Teo no nanambanan’ny roa tamin’ireo mpanendaka antsy ilay renim-pianakaviana iray. Voatery nomena noho izany ny finday izay tena raitra tokoa sy ny poketra nisy vola. Teny amin’ny digue no nidina moramora sy nitsoaka ireo tsy mataho-tody. Tafatsoaka nandray fiara hafa ireto farany taorian’izay. Ny ampitso ireo lasibatra vao afaka nametraka fitarainana tany amin’ny manam-pahefana saingy amin’ny olona tsy fantatra. Marihina fa tsy nisaron-tava ireo tonta kely teo am-panatanterahana izany.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre