Ny alika sisa hianteherana
Tsy ho fiteny intsony atsy ho atsy ny fanarabiana toy ny hoe “ohatran’ny alika”, “toetran’alika”, ilay “alika lahy ity”…satria efa hitovy zo amin’ny olombelona izy ireo. Hitovy zo satria samy handoa hetra izao ihany. Nanaitra ny maro ary sady lasa nahatsikaiky no nanafintohina ilay vaovao mikasika ny fitakiana hetra amin’ny alika fiompy izay nampidirina ao anatin’ny tetibolam-panjakana taona 2017. Efa fanao ny toy io amin’ny firenena hafa any ivelany, ary efa misy ihany koa ny hetran’alika eny amin’ny fokontany sy ny kaominina sasany fa izy ao anaty tetibolam-panjakana mihitsy no tsy nahazatra ny malagasy ny fahenoana azy. Raha ny tokony ho izy aza dia mandoa hetra avokoa ny biby fiompy rehetra hatramin’ny kisoa sy ny omby ary ny saka sy ny akoho amam-borona. Tsy ny fitataovana hetra amin’ny biby fiompy akory no ratsy saingy ny fomba fanatanterahana izany no kianin’ny maro an’isa. Iaraha-mahalala mantsy fa na hampandoavina hetra ara-dalàna hifanaraka amin’ny tokony ho izy aza ireo mpiompy alika dia tsy hisy fiantraikany firy eo amin’ny kitapombolam-panjakana sy ny asa fampandrosoana ny firenena izany. Maro mantsy ireo sehatra hafa izay tena tokony hampidi-bola betsaka nefa tsy manefa izany noho ny hafetsifetsena, ny fanaovana kolikoly ary ny fitavozavozan’ny mpiasan-draharahan’ny fitakiana hetra. Tsy mila hetra avy amin’ny alika izany ny Fanjakana dia efa mahavita manangona vola betsaka hoentina hampandehanana ny raharaham-pirenena sy ny asa fampandrosoana raha ny fomba fitakiana hetra no hatsaraina. Raha ny fanambaran’ny Filoham-pirenena mantsy dia lany amin’ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny fampandehanan-draharaha fotsiny ny hetra voangona isan-taona. Io no antony tsy ananan’ny Fanjakana vola hanatanterahana asa fampandrosoana ka manery ny mpitondra hitrosa na hangataka lava izao amin’ny vahiny. Tsy mahagaga raha tsy ampy ny hetra satria tsy manefa izany ireo tokony handoa. Ny avo ihany no tovonana araka ny fomba fiteny satria rehefa tena jerena dia tena mpandoa hetra ny vahoaka madinika. Itataovan-ketra avokoa mantsy ny zavatra rehetra jifain’ny vahoaka. Izany hoe efa mandoa hetra mivantana amin’ny alalan’ny faktioran’ny jiro sy rano, ny sakafo vidina isan’andro, ny hofan-trano, ny saran-dalana, ny karama isam-bolana sns…ny vahoaka. Mipetraka kosa anefa ny fanontaniana hoe tena tonga any anaty kitapombolam-panjakana tokoa ve ireny hetra ireny? Izany hoe raha tsorina dia any amin’ireo mpivarotra isan-tsokajiny, sy ny mpandraharaha tokony handrotsaka ny hetra ny Fanjakana no tokony hitodika satria ireny no mety tsy manefa ny adidiny ho an’ny firenena. Ny sampan-draharaha rehetra miainga eny amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ka hatreny amin’ny minisitera foibe dia samy manaiky fa ny tsy fahampian’ny fidiran-ketra no tena antony tsy hahafahan’izy ireo mampandroso. Mazava ho azy fa ny tsy fahaiza-mitaky hetra sy ny tsy fampiharana ny lalàna manan-kery ary ny kolikoly no mahatonga izany rehetra izany. Malaina handoa hetra rahateo ny olona satria tsy hita akory izay tena fiantraikan’ireny amin’ny asa fampandrosoana. Mba manao izay ho afany ihany ny vahoaka manaiky sy manaraka ny fiakatry ny vidim-piainana noho ny fiakaran’ny hetra isan-tsokajiny nefa toa vao maiNka miharatsy ny asa omen’ireo karamaina amin’ny volam-bahoaka. Avonavona sy fijaliana no miandry rehefa hikarakara taratasy amin’ny minisitera samihafa eny hatramin’ny hopitaly. Toa lasa fampitahorana ny tompon’andraiki-panjakana ambony ary mirehareha ho manam-pahefana eny anivon’ny fiarahamonina rehetra eny. Karamaina amin’ny hetra naloan’ny vahoaka. Izany rehetra izany no mahatonga ny olona tsy mazoto handoa hetra satria toa lanin’ny sasany fotsiny ny vidin-katsembohany fa tsy hita izay tombony ho azo avy amin’izany.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







