Manjakandriana – Lehilahy iray maty nokakerin’ny alika
Mampidi-doza ny olona maro matetika ireny alika mirenireny marobe eny an-dalana ireny. Maro tokoa izy ireny amin’izao fotonana mandehandeha amin’ny toerana maro, ary tsy misy manaraka mihitsy ny fahasalamany. Lehilahy lehibe iray 55 taona no hita faty tao Tsarasaotra Manjakandriana ny sabotsy lasa teo, kaikitr’alika teo amin’ny tendany no tena nahafaty azy, feno dia-nifin’alika ihany koa ny ranjony sy ny tarehiny. Ny maraina ity razana ity no hitan’ny fokonolona fa raha ny tombantombana nataon’ny dokotera nanao ny fizahana kosa dia manodidina ny tamin’ny 10 ora alina tany ho any izy no maty. Raha ny voalaza dia avy nisotro toaka tany amin’ny tanàna iray izy ka mamomamo ary handeha hamonjy ny trano fonenany no izao niharan-doza izao. Nandray fepetra avy hatrany ny sefo distrikan’i Manjakandriana hamono ireo alika mirenireny.
Ny Tsiky R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







