Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Amboasary Gara – Lozam-pifamoivoizana, maty ny mpamily

Asan-dahalo, haintrano, , fitsaram-bahoaka lozam-pifamoivoizana. Saika aharenesana ireo loza ireo manerana ny nosy tato ho ato. Manambara ireo fa miaina anaty tsy filaminana tanteraka ny firenena Malagasy. Raha ny mahazatra ny sofina dia ny asan-dahalo no fandre isan’andro tsy tapaka. Tsy vitan’ny miaina ao anatin’ny krizy mandritra ny taona maro ny vahoaka malagasy fa mbola miatrika loza tsy ampozina indray koa ary dia misy hatrany ny aina manaraka. Sahirana mafy tokoa ny ankamaroan’ny  mponina, miezaka ny mba mihary, matetika anefa sendra ny loza tsy am-poizina eny am-perinasa. Lozam-pifamoivoizana izay namoizana ain’olona indray no nitranga tany Amboasary Gara, Rn 44, omaly talata 8 novambra 2016, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Kamiao feno arina fandrehitra, anaty gony maromaro no nivadika tanteraka ka maty teo noho eo ny mpamily fa ilay lehilahy iray niaraka taminy kosa nentina avy hatrany namonjy ny toeram-pitsaboana, noho ny dona mafy sy ny ratra nahazo azy. Mbola tsy fantatra hatreto izay faritra tena voa aminy fa famonjena aina no nataon’ireo nanatrika mba hahazo mpitsabo haingana izy hamonjena ny ainy. Raha ny vaovao avy any an-toerana dia tena potika tanteraka ilay fiara, heverina ho tapaka hisatra io fiara io ka tsy voatanan’ny mpamily intsony ny familiana. Amin’ny loza toy izao dia sarotra ny hitsara sy hifanome tsiny satria efa mba misy ihany ireo miezaka mitandrina sy manara-maso ny fiarany fa ny loza kosa tsy mampilaza rehefa hoavy.  Manoloana izany dia ny fandehanana milamina ihany no tena fahamailona lehibe indrindra rehefa mahazo ny lalam-pirenena izay malalaka ary tsy misy fitohanana, indrindra amin’izao faraparan’ny taona izao.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre