Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Atleta nasionaly fahiny – Tokony hojeren’ny fanjakana akaiky

Sanatria toy ireny siligaoma na ireny sigara ireny ireo atleta malagasy fahiny fa rehefa lany ny maminy sy izay nilavana azy dia nariana sy tsy noraharahina intsony. Maro amin’ireo mpilalao tamin’ireny ekipa malagasy fahiny ireny mantsy no tsy misy mijery intsony amin’izao fotoana izao. Raha ny tokony ho izy sy ny rariny anefa dia tokony hisy fitsinjovana ataon’ny fanjakana amin’izy ireny, na dia fanampiana fotsiny ihany aza. Ny ankamaroan’ireny atleta nahavita soa ho an’ny firenena ireny, araka ny fanadihadiana natao dia sahirana ary tsy an’asa avokoa. Nanoka-tena tanteraka tamin’ny fanatanjahantena loatra mantsy izy ireny tamin’ny fahatanorany. Anisan’ireo alteta ireo, ohatra, i Dezy Monstre, mpilalao tao amin’ny Club M fahiny izay tena anisan’ny kalaza indrindra raha izay no azo ilazana azy. Amin’izao fotoana izao izy dia tsy misy asa atao ary lasa mandany andro fotsiny mijery lalao baolina kitra etsy sy aroa rehefa tsy mipetraka ao an-tranony. Ny mahagaga amin’ity fitondram-panjakana ity anefa dia tsy misy fandraisana an-tanana ny olona nahavita be tamin’ny fiarovana ny voninahi-pirenena toy itony. Raha ny traikefa ananany anefa dia tokony hahavita hampivoatra sy hanatsara ny tontolon’ny baolina kitra raha i Dezy Monstre fotsiny no asiana teny. Raha ny fahitan’ny mpilalao malagasy sasany amin’ireny kilioba malaza ireny dia tokony hahay hitana ny andraikitry ny mpanazatra izy. Raha ny fahitana azy tokoa dia mazoto hizara traikefa izy fa ny tompon’andraikitra mahefa mihitsy no tsy miantso azy. Izy rahateo mazoto manampy ireny mpilalao vao misondrotra ireny eny amin’ireo toeram-pilalaovana madinika ireny. Ny hany tokony mba hataon’ny fanjakana raha tsy izany dia ny mba mijery akaiky ireny mpilalao taloha ireny amin’ny alalan’ny fanampiana ara-bola azy na ny fanomezana « Pension alimentaire ». Izy ireny tokoa mantsy dia toy ireny bekotro maro holatra ireny ka mendrika omena fanajana sy voninahitra fa tsy avela hirenireny eny rehetra eny.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre