Vohibato – Dahalo 4 matin’ny fokonolona, tovolahy kely iray namoy ny ainy
Raha zohina fohy dia azo lazaina fa ny volana oktobra sy ity novambra ity no tena fotoana nampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana be indrindra miseho manerana ny nosy. Vao tamin’ity herinandro ity dia tovolahy kely iray no matin’ny dahalo mpangalatra omby tao amin’ny fokotany Marovovontany, kaominina Talatan’Ampano, distrika Vohibato. Setrin’izany dia dahalo efatra kosa no matin’ny fokonolona taorian’ny fanarahan-dia ka omby 9 no tafaverina amin’ny tompony. Tonga nitsapa alahelo ny fianakavian’ilay tovolahy kely maty moa ny solombavam-bahoaka avy any an-toerana ka nandritra izay ihany koa no nilazany fa “tsy maintsy vonoina avy hatrany izay dahalo tratra rehefa tsy vonona hiaro ny vahoaka ny mpitondra”, raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana ihany.
S.A
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







