Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Aleo mailo ihany !

Afaka herinandro dia handray ny fihaonana an-tampon’ny fikambanan’ny miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay i Madagasikara. Manomboka ny 22 novambra izy io ary tsy hifarana raha tsy ny 26 novambra. Fantatra fa firenena any amin’ny 80 mahery any no mpikambana ao amin’ny frankofonia ary filoham-panjakana 50 mahery no mety ho tonga eto hanatrika izany. Henjana sy hentitra ny fiambenana ary efa mandray ny fepetra rehetra mahakasika izany ny tompon’andraikitry ny filaminana. Iaraha-mahalala mantsy fa tena anisan’ny halan’ireo lazaina fa mpampihorohoro iraisam-pirenena itony fihaonana lehibe  itony. I Madagasikara manokana dia tsy manana olana velively amin’ireo mahery fihetsika saingy kosa tsy ampy hatao antoka hametrahana ny fandriam-pahalemana izany. Mila mailo hatrany satria maro amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny frankofonia, indridnra i La Frantsa no tena fahavalon’ny mpampihorohoro. Izany hoe tena misy risika goavana mihitsy ny hisian’ny asa fampihorohoroana eto amintsika. Efa betsaka ny andraikitra raisin’ny mpitondra manoloana izany ary anisan’ireny, ohatra, ny fanaovana ankandasitra mahakasika ny mety hisian’ny baomba atahorana hipoaka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Nandaitra aloha ny sarin’ady saingy tsy fantatra na hizotra tsara toy ireny ny fandraisana fepetra rehefa tena sendra ny patsa iray tsy omby vava. Mbola fepetra natao hiarovana ny vahoaka sy ny fananany ihany koa ny fametrahana mpitandro filaminana izay manao fisavana ny fiara sy moto mandalo eto an-drenivohitra. Maro ny mpamily no sorena amin’io fepetra io nefa raha raisina amin’ny saina tsy miangatra dia tena ilaina mihitsy ny fisavana satria be loatra ny gaboraraka eto amintsika. Antenaina rahateo fa hanampy betsaka amin’ny fametrahana fandriam-pahalemana sy ny ady amin’ny asan-jiolahy ireny fisavana fiarakodia etsy sy eroa ireny. Raha olona ara-dalàna tsy tokony ho sarotiny amin’ny fisavana ary tokony hirehareha aza satria madio sy mahitsy eo ambany lalàna. Anisan’ny fepetra iray mampimenomenona ny hevi-bahoaka ihany koa ny fandrarana ny fivezivezen’ny sarety sy posy ary skotera amin’ny lalana sasany mety handalovan’ny delagasion’ny frankofonia. Tsy hita anefa izay tena maharatsy azy io ary raha ny tokony ho izy aza dia ny lalana rehetra mihitsy no tsy tokony handehanan’ny posy sy ny sarety satria tanàn-dehibe Antananarivo ary tsy misy lalana natokana ho ireny fitaterana taritin-tanana ireny. Miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana sy mety hampitera-doza ihany koa izy ireny. Raha ny lalàna mantsy dia manan-jo handeha mafy hatramin’ny 100 km isan’ora ny delegasiona ofisialy amin’ny fihaonana an-tampony toy io frankofonia io. Raha delegasiona ofisialy miisa 50 izao no hivezivezy eto an-drenivohitra miaraka amin’ny fiarakodia maro mpanaraka azy ireo dia mila lalana malalaka sy tsy misy manembantsembana. Raha sanatria misy ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny posy sy sarety dia ireo mpitari-posy sy sarety ihany no ho voa mafy raha maratra na sanatria mitondra takaitra na mamoy ny ainy eo. Farany dia tsy misy maharatsy ny fampiatoana ny raharaham-pirenena, izany hoe ny fampianarana sy ny asa sasany amin’io fivoriamben’ny frankofonia io. Raha araka ny efa nolazaina tetsy ambony mantsy dia misy risika foana ny mety hisian’ny asa fampihorohoroana. Tsara ambina kokoa ary lavitry ny loza ny mpianatra raha mijanona any an-trano. Ny mpampihorohoro rahateo tsy mampilaza mialoha izay toerana hapoakany fa efa midona ny loza vao samy taitra ny rehetra. Ramalina aza mifehy hazo tokana hoy ny fiteny koa raha andro tsy fiasana sy fianarana ihany amin’ny fivorian’ny frankofonia dia aleo aloha mipiripirina any an-trano. Halam-bahoaka ity fitondram-panjakana mijoro ity ka izay fanapahan-kevitra rehetra raisiny dia tsy ankasitrahan’ny maro an’isa hatrany. Raha fepetra natao hiarovana ny vahoaka kosa anefa dia aleo arahina ihany. Tsy aleo ve mihafy kely mandritra ny heriandro dia milamin-tsaina e !

 Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre