Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Beroroha – Namono olona 2 indray ny fitsaram-bahoaka

Tsy voafehy intsony ny fitsaram-bahoaka manerana ny nosy. Lehilahy roa indray no maty nodarohan’ny fokonolona tany Beroroha tamin’iny herinandro lasa iny. Voalaza fa nanao ratsy izy ireo saingy tsy nofaritan’ny zandary mazava ny tsy nety nataon’ireo matin’ny daroka ireo. Ny tena loza tamin’ity tranga ity dia ny Dinabe mihitsy no nitarika ny famonoana. Fantatra anefa fa efa mitsangana ara-panjakana ary ny fitondram-panjakana mihitsy no nanampy tosika tamin’ny fananganana ireny dinabe ireny. Izany hoe efa nisy fampiofanana sy fampahafantarana ny lalàna manan-kery manoloana ny fiarovantenan’ny fokonolona eo anatrehan’ny olon-dratsy izy ireny. Misy ny fombafomba sy tsy maintsy atao sy ny fanaterana ireo voasambotra eo anatrehan’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana noho izany. Tamin’ity indray mitoraka ity kosa dia novonoin’ny dinabe ho faty ireo olon-dratsy. Voalaza fa saika hoentina hanaovana kabary izy ireo saingy tsy nanaiky ka io no nahatezitra ny vahoaka ary niafara tamin’ny daroka nahafaty. Tsy afaka nandray ny andraikiny ny zandary satria efa maty avokoa izy roalahy vao nisy nampandre ny mpitandro filaminana. Efa misokatra kosa ny fanadihadiana hijerena izay tena zava-nitranga marina.

Cassie

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre