Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Ambohidratrimo – Tratra ilay mpamatsy rongony

Mitombo isan’andro ny olona mandray zava-mahadomelina amin’izao fotoana izao. Mety ho ny olana sy ny adin-tsaina mifamaofao ao anatin’ny olona iray ny antony mahatonga izany. Ao ihany koa ireo tia andrakandrana fotsiny ihany mba ho sambatsambatra. Ny zava-mahadomelina  anefa dia tsy fihinana ary tsy tsara ho an’ny fahasalaman’ny vatana. Mazava ho azy fa mamotika ny fiainan’ny olona sy ny vatana mihitsy izy io. Noho izany, voararan’ny lalàna ary iharan’ny sazy henjana izay tratra mivarotra na mandray azy ity, indrindra ny rongony sy izay iray tarika aminy. Tsy miandry ny mpitandro filaminana hahatratra ireo mivelona amin’ny famonoana ny mpiara-belona amin’ny fomba ankolaka ny maro ankehitriny fa avy hatrany dia mandray andraikitra mampandre nt tompon’andraikitra raha vao mahatsapa fa misy mampiahiahy. Toy izay nitranga teny amin’ny distrika Ambohidratrimo, kaominina talatamaty, fokontany Tanjondava ny 25 oktobra 2016. Nahatsikaritra tokantrano mpamatsy rongony ny olona tsara sitra-po iray ka avy hatrany dia nampandre ny manam-pahefana. Araka ny vaovao avy eny an-toerana dia nangataka fahazoan-dalana hisava trano avy amin’ny fitsarana ny borigady talatamaty ka ny talata 08 novambra 2016 no nanatanterahana izany. Tena nanao ny asany tokoa ireo tompon’andraikitra ka rongony 17 fonosana miampy iray harona selofana milanja 1kg, izay mitotaly 1,9 kg rehefa natambatra. Hentitra amin’ny asany ireo mpitandro filaminana avy ao amin’ny borigady Talatamaty ka  notazomina vonjimaika any am-ponja ilay tompon’antoka ary ny rongony kosa dia efa nodorana teo anatrehan’ny solontenam-panjakana avy ao amin’ny kaominina sy ny fokotany.

Chrysnovah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre