Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Ambatondrazaka – Tsy diso anjara tamin’ny fiofanana nomen’ ny Cnaps

Araka ny lalàna velona dia ny tahirim-pirenena no mandray an-tanana ireo mpiasam-panjakana tsy raikitra. Maro an’isa ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana no mampiasa azy ireny saingy tsy voahaja ny zony. Izay no nahatonga ny Cnaps sy ny  tahiri-mbolam-panjaka (Tresor) nitety ny faritra 22 nampahatsiaro ireo tompon’andraikitra fa tsy maintsy ampidirina ao ireo mpiasa Ecd. Tsy diso anjara tamin’ny atrikasa nokarakarain’izy ireo ny distrikan’Ambatondrazaka. Nahatratra 120 ireo mpiofana avy amin’ireo sampan-draharaham-panjakana mbola mampiasa izay ahitana ireo mpiasa tsy raikitra.  « Nilaina ny fahalalana ny andinin-dalàna satria ny fiainan’ny mpiasa tsirairay mihitsy no anton-dresaka, ny fiainan’ny mpiasa ankehitriny sy ny hoavin’izy ireo », hoy  Rafidimanana Louis Fidèle, Ben‘ny tanànan’ny Kaominina Ambatondrazaka.  Nahazo tombontsoa tamin’ny fiofanana ihany koa ireo talem-paritra sy ny lehiben’ny sampan-draharaham-panjakana tany amin’ny Ministera eny anivon’ny faritra. Olana goavana mateti-pitranga, rehefa miova ny mpitondra dia miova miaraka amin’izay ihany koa ny taratasy fifanarahana arakasan’ireny mpiasa ireny. Hita aza fa misy ny mpiasa vaovao vao miditra. Olana ihany koa ny tsy fanefan’ny lehibe ny latsakembok’ireny mpiasa ireny ka dia tsy mba afaka misitraka ny fiahiana ara-tsosialy izy ireo. Misy mihitsy aza ny efa feno taona mitsahatra amin’ny asany nefa tsy mandray fisotron-dronono. « Mba hialana amin’ny fahaverezan-jo no nanosika ny Cnaps hiara-hiasa tamin’ny Tahirim-bolam-panjakana nanatontosa ny fiofanana taty Alaotra Mangoro », hoy ny lehiben’ny masoivoho Cnaps Ambatondrazaka Andriamihaminarivo Rostand. Nandritra ny telo andro dia nisy ny fifanakalozan-kevitra ary niara-niaiky ny rehetra fa hanova ny fomba fiasa sy hanova ny fomba fijery mba hiaraha-mitantana ny hoavin’ireo mpiasa Ecd eny anivon’ny fanjakana.

Nangon’i S.A

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre