Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Fasan’ny karana – Lehilahy maty nisy nanendaka

Vola 200 000ariary karama avy noraisina no namoizan’ity raim-pianakaviana iray ny ainy ny sabotsy tolakandro teo teny amin’ny Fasanikarana.  Tsy fantatra izay nahavanon-doza fa dia izy efa mitsitra amin’ny tany no hitan’ny mpandalo.  Tsy nisy taratasy nahafantarana azy teny amin’ny fa ireo manodidina sendra nahita ny razana no niteny fa mody eny amin’ny faritra Andoharanofotsy iny ity lehilahy ity. Manjaka tokoa ny ratsy etsy sy eroa. Indrindra moa fa toerana fiantsonana fiara toa  ny eny amin’ny Fasanikarana iny dia efa ela no mirongatra ireo mpanao ratsy noho izy mandray olona mpandeha aman’aliny isan’andro avy any amin’ny faritra. Amin’izao tokoa dia miaina ao anaty tahotra sy horohoro tokoa ny vahoaka malagasy satria dia na finday tsy dia misy vidiny aza dia tsy mihambahamba mihitsy ireo jiolahy mandatsaka ain’olona amin’izany raha toa ka mamaly azy ianao.

S.A

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre