Ankadifotsy – Lasa lavenona ilay Ford
Fatim-by sisa no niafaran’ilay fiarakodia marika Ford Focus nirehitra teny Ankadifotsy omaly alina tokony ho tamin’ny 7ora sy 25 mahery kely minitra tany ho any. Lasa lavenona avokoa ny seza sy ny tao anatiny ary nitsonijka hatramin’ny fitaratra. Ny motera sy ny mekanika teo aloha ihany koa dia vy mainty be sisa tazana fa nitsonika ny akora hafa niaraka tamin’ny kodiarana aloha. Vatan’ilay fiara sisa nahafantarana azy ho Ford ary ny kodiarana aoriana sy ny kodiarana fiandry no mba hany afaka navotan’ireo mpandeha. Araka ny fanazavan’ny nanatri-maso sy ireo tao anaty fiara dia efa tany amin’ny toerana niaingany no nisy hafahafa ity Ford ity. Nisy mpandeha iray nahatsikaritra fa misy zavatra mazava be tao aloha akaikin’ny fitoeran’ny motera tao. Tsy nijanona anefa ry zareo fa nanohy ihany mandra-pahitana toerana hiantsonana hijerena izay tena zava-nitranga. Teny am-pandehanana anefa no niakatra tampoka ny lelan’afo be avy ao anaty motera ka voatery nijanona ny mpamily. Nifanosika nivoaka ireo tao anaty fiara ary noezahina nosokafana ny saron’ny motera saingy tsy nety mihitsy fa mafy be. Io antony io no tena nampihitatra ny afo satria efa tena tsy azo novonoina intsony izany vao voasokatra ny “capot”. Niezaka ihany ny mponina manodidina nanondraka rano sy nandraraka fasika saingy herim-po very maina fa tsy voafehy intsony ny afo. Nirehitra rahateo ny seza ary nahazo ny fitoeran-dasantsy izany ka nipoaka ity farany. Soa ihany fa tsy nisy naratra na aina nafoy tamin’ity loza mahatsiravina ity. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina avy eny Tsaralalàna ary nanao izay azony natao mba tsy hampihitatra ny afo. Betsaka taribin’ny Jirama rahateo teo akaiky teo koa mety ho zava-doza ny nitranga raha toa ka tara kely ireo mpamono afo. Nirotsaka an-tsehatra ihany koa ny polisy niaro ilay fiara manoloana ny mpanararaotra no sady nifehy ny filaminana teny an-toerana. Voalaza fa orinasa no tompon’io fiara io ary mpamily sy mpiasa no tao anatiny. Tsy mbola fantatra kosa na hanolo ny simba ny trano fiantohana na tsia.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







