Ho avy ny vazaha be
Ireharehan’ny fitondram-panjakana mijoro fatratra ny fandraisana ny fihaonana antampon’ny frankofonia izay hatao eto Antananarivo amin’ny herinandro ho avy io. Misongadina amin’izany ny fandraisana filoham-panjakana marobe. Araka ny fantatra dia mety ho avy eto ny filoham-pirenena frantsay Francois Holland. Na dia tsy azoazon’ny malagasy loatra ity filoham-pirenena vahiny ity dia zava-dehibe ny hitsidihany eto amintsika hanehoana ny fifandraisan’ny firenena roa tonta. Maro rahateo ireo fifandraisana mampifamatotra ara-tantara an’i Madagasikara sy Frantsa. Voalohany amin’ireny ary mbola iainana mandraka androany ny takaitran’ny Fanjanahantany navelan’ny frantsay teto. Tsy azo hadinoina ny ràn’ny malagasy naripaky ny frantsay tamin’ny andron’ny Menalamba, ny Vvs, ny Sadiavahy, ny Mdrm, sns… Tsy nanao hadisoana na heloka bevava ireny malagasy novonoina ireny fa nijoro sy niaro ny tanindrazany tsy horobain’ny vahiny. Mafy orina anefa ary mbola manjakazaka ny frantsay sy ny rafitra napetrany teto Madagasikara hatramin’izao. Na io resaka faritany 6 sy fitsinjaram-pahefana io aza dia ny frantsay no nametraka azy talohakelin’ny naha lasa zanatany an’i Madagasikara. Io ilay hoe zarazarao hanjakana hoy ny fitenenana ary hita fa tena mandaitra. Hatramin’izao andron’ny fivelarana ara-tsaina izao tokoa mantsy dia mbola manjaka amin’ny samy malagasy ny resaka fihaviana. Miainga any amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy fanendrena mpikambana ao amin’ny Governemanta ary ny mpiasam-panjakana ambony dia efa manana toerana goavana ny fihaviana. Misy tsy manaiky mihitsy raha tsy homena toerana eo anivon’ny fitondram-panjakana ny olona avy any aminy. Tarazon’ny Fanjanahantany daholo izany rehetra izany satria efa novolen’ny mpanjana-tany teto Madagasikara ilay toe-tsaina mampizarazara io. Ankoatra izany dia tsy hita pesipesenina ny harem-pirenena efa nahoron’ny frantsay teto. Misy antontan-kevitra mivoaka fa efa an-taonina ny volamena sy vato sarobidy efa lasan’izy ireo teto. Santionany amin’ireny ireo nosy éparses izay bodoin’ny Fanjakana frantsay satria amidiny amin’ireo orinasa mpitrandraka solika. Santionany fotsiny izany rehetra izany fa betsaka ny tsy rariny nataon’ny vazaha teto amintsika. Tsy mbola nisy mpitondra Fanjakana malagasy anefa na iray aza tena sahy nitaky fanazavana ofisialy tamin’ny ratsy nataon’ny frantsay teto. Izao fandraisana ny fihaonan’ny frankofonia izao no fanararaotana hangataham-panazavana amin’ny filoha frantsay. Tsy manana olana aminy ny malagasy saingy kosa miandry izay tena mba fahasahian’ny fitondrana frantsay miaiky ny tena zava-misy marina. Toa lasa fihatsarambelatsihy fotsiny mantsy ny fifandraisan’ny firenena roa tonta hatramin’izay sy amin’izao. Lasa mpanara-drenirano fotsiny ny malagasy fa izay tian’ny frantsay hatrany no atao. Io izao ny nosy éparses izay lazaina fa efa misy ny fifampidinihana nefa toa ny omaly tsy miova ihany no zava-misy. Tompony mangataka atiny ny malagasy ary mbola manohy mitango ny tombontsoa azo avy amin’ireo nosy ireo ny frantsay. Na izany aza dia tsy mbola afa-miala amin’ny frantsay ny malagasy satria firenena mahantra. Tsy mahavelon-tena ary miankin-doha lava amin’ny fanampian’ny vahiny vao afaka manatanteraka tetikasam-pampandrosoana ho an’ny vahoaka. Marefo ny mpitondra malagasy ka tsy afaka ny hidrikina manoloana ny politikan’ny frantsay izay mifototra betsaka amin’ny fanohizana ny fakana tombontsoa amin’ireo firenena efa nozanahiny fahiny.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







