Fifamaliana tanaty bar – Niafara tamin’ny vely tavoahangy, lehilahy iray naratra mafy
Rehefa mamo tokoa ny olona iray dia tsy mahatana ny vava avoakany sy ny fihetsika ataony intsony. Fanaon’ny olona rehefa tonga ny faran’ny herinandro ny mandeha mivoaka alina misotrosotro toaka, ary matetika dia any amin’ireny toeram-pisotroana iraisana na ireny « bar » ireny no mahazatra ny maro. Ny manahirana anefa dia rehefa miakatrakatra iny ny zava-pisotro maherin-dry zalahy dia miafara amin’ny ady sy ny teny ratsy ny raharaha. Ny zoma lasa teo, tokony ho tamin’ny 9 ora alina tany ho any dia raikitra ny ady saritaka tao anaty trano fisotroana iray teny amin’ny faritra 67 Ha. Vokatr’izany dia tovolahy iray no maratra mafy voavely tamin’ny tavoahangy. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa toa zavatra tsy dia misy antony akory no nahatonga ity ady saritaka ity. Rehefa nitsangana handeha hanao maloto ity lehilahy dia nandona tsy nahy veran’olona izay misotro eo amin’ny labatra iray. Vaky noho ny fianjerana mafy ilay vera. Matetika anefa ao anatin’ireny bar ireny dia misy ny soratra fa izay mamaky vera dia manolo ny vidin’izany. Tampotampoka teo dia tezitra vokatr’izany ireo olona mpanjifa ary nitabataba avy hatrany. Tsy vitan’izany fa voalazan’ny vaovao fa niditra an-tsehatra ihany koa ny mpiasa tao amin’ilay trano fisotroana. Teo dia tsy fantatra marina izay niseho. Asa na tsy nety nanolo ilay vera vaky ilay nandona na ahoana fa nisavoritaka ny rehetra. Nisy noho izany ny sakoroka ary niafara tamin’ny ady teo amin’ireo samy mpisotro ka niafara tamin’ny vely tavoahangy. Misy tamin’izy ireo ary no nivoaka tany ivelany niady ary namory olona mihitsy ny savorovoro tamin’izany. Teo no nahavoa ilay tovolahy izay naratra mafy. Ankehitriny dia mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly ity farany ary ahiana mafy ny toe-pahasalamany noho ny kapoka mafy nahazo azy teo amin’ny faritry ny lohany sy ny oza-tendany. Fotoana vitsy taorian’izay vao niantso polisy ny tompon’ilay toeram-pisotroana saingy efa lasa niparitaka ireo olona nahatonga ny korontana.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







