Befelatanana – Manano ny ataony ny mpitsabo
Tsy tranga vao sambany fa efa fomba ratsy fanaon’ireo mpitsabo eny amin’ny hopitalim-panjakana ny mampanjaka ny lalànan’izy ireo. Fa izao vao tena manomboka sahy ny mpitondra marary ka milaza izany ampahibemaso. “Ao amin’ny “urgence” misy dokotera mampividy fanafody nefa tsy ampiasainy amin’ny marary akory ilay fanafody, tsy fanafody ihany fa fitaovana ihany koa tonga dia ataony am-paosy daholo dia miala eo amin’ilay marary izy avy eo, any dia tsy hita. Misy ny vavolombelona raha ilaina izany” , hoy ity ramatoa iray nitaraina tamin’ny tambajotra sosialy. Efa an-jatony ny olona nanamafy izany izay efa tratra ary dia tsy io hopitaly io ihany no misy an’izany fa rehefa hopitalim-panjakana. Eo koa ireo dokotera izay any aminy ihany no misy ilay fanafody ary rehefa hitany fa tsy maintsy vidiana dia amin’ny vidiny itiavany azy no ivarotany azy amin’ny mpiandry marary. Misy aza hafa ny vidiny teneniny rehefa tonga ianao miaraka amin’ny vola dia hafa indray no lazainy, indrindra fa ireo fanafody amanetsiny ny vidiny. Misy koa ireo sasany mody mindrana fanafody amin’ny havan’ny marary dia tsy miverina intsony ny solony fa amidin’izy ireo any amin’ny marary hafa any.
Nangonin’i S.A
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







