Tontolon’ny sarimihetsika – Marary mafy any amin’ny hopitaly i Gérard Razafindrakoto
Mpitantana no sady mpilalao sarimihetsika efa fanta-daza raha i Gérard Razafindrakoto. Ny nahafantarana azy dia nilalao tao amin’ny trano famokarana Scoop Digital izy. Anisan’ny horonan-tsary nahafantarana azy, ohatra, ny Malok’ila izay nitondrany ny anarana Randrenja. Fiantsoana izay tsy nety afaka intsony na hatramin’izao aza. Taty aoriana dia nanapa-kevitra ny nanokatra ny trano famokarana azy manokana rangahy ary nampitondrainy ny anarana hoe « Horizon production » izany. Nanara-dia azy tao anatin’izany ireo mpilalao izay tena akaiky azy toy an- dRaly sy Rajao ary ireo mpilalao efa fanta-daza hafa. Tsy nananosarotra ny fikarakarana sy ny famokarana sarimihetsika ho azy satria efa manana traikefa ny amin’izany izy. Tao anatin’ny volana vitsy monja dia efa nahavita namokatra horonantsary miisa telo izy sy ny mpiara-dia aminy toy ny « Tampody », « Jombilo », « Lakan-jejo » sy ny maro hafa ihany koa. Ankehitriny dia misy ny vaovao mampalahelo momba ity mpilalao anisan’ny sangany ity. Tao amin’ny serasera facebook no nihodina ny vaovao fa marary mafy any amin’ny hopitaly izy amin’izao. Hatreto dia tsy mbola misy ny fanampim-baovao mahakasika ny aretina mahazo azy sy ny toe-pahasalamany marina. Sarin-drangahy miaraka amin’ireo mpilalao sarimihetsika miaraka aminy ao amin’ny « Horizon » ihany amin’izao no mbola miparitaka ao amin’ny serasera ao ary efa tsy latsaka ny arivo isa ny fanehoan-kevitra sy ny fampaherezana nataon’ny mpakafy rehetra. Izahay eto amin’ny fanoratana sy ny gazety Madagascar matin dia mirary fahasalamana feno sy haingana ho azy.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







