Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Toamasina – Tratra ilay vazaha mampivaro-tena vehivavy malagasy

Fitaovana iray tena anisan’ny be mpampiasa ary tena ahombiazana amin’ny fivarotan-tena ankolaka mihintsy amin’izao ny aterneto, indrindra fa amin’ireny tambajotra sosialy toy ny facebook ireny. Voaharo ary tsy mivantana mantsy ao amin’ireny ny asa ratsy atao saingy ny tanjona dia mitovy ihany : ny ahazoana vola amin’ny alalan’ny firaisana ara-nofo, na mivantana na amin’ny alalan’ny sary na horonan-tsary izany na ny « Sex cam ». Mahakasika izany indrindra dia lehilahy teratany vahiny iray voalaza fa manao fitadiavam-bola amin’ny alalan’ny fivarotana vehivavy malagasy amin’ny aterneto no tra-tehaky ny polisy tao Toamasina ny zoma lasa teo. Fifampitam-baovao sy fiaraha-miasa teo amin’ny samy mpitandro filaminana no nahafahana nahatratra ity rangahy ity raha ny fanazavana voaray tamin’i Commissaire Gerverin Raelison. 44 taona io teratany frantsay io ary monina ao Ambohijafy-Toamasina. Voalaza fa tsy amin’ny fomba mivantana no anaovan’ity farany ny asa ratsiny fa mifangaro amin’ny « Cybercriminalité ». Amin’ny alalan’ny tranon-kala no ivarotany ireo vehivavy malagasy ary izay manjifa azy ireo dia mampiasa ireny solosaina misy « Web cam » ireny. Ao izy ireo no mividy ireo vehivavy malagasy. Ireto farany manao izay mahataitaitra ireo mpividy amin’ny alalan’ny fanaovana fihetsika vetaveta ary tonga hatramin’ny fikitihana fitaovam-pananahana mihitsy aza. Tsy niandry ela ireo polisy fa rehefa nahazo fahazoan-dalana dia nidina nanao fisavana ny toerana. Nandritra izay indrindra no nahatratrana ireo vehivavy roa izay mbola teo am-panaovana izany asa « proxenetisme » na fitrandrahana ny fitaovam-pananahan’ny hafa atao fitadiavam-bola mamoafady izany. Tamin’izany ihany koa no nahatratrarana fitaovana maromaro fanomezana fahafinaretana ny vatana samirery na ireny « Sex toy » ireny izay karazany maro mihitsy. Misy hatramin’ny aubergine mihitsy aza izany ka hatramin’ireny vibromasseur ireny. Nohazonina miaraka amin’ity teratany vazaha ity ireo vehivavby roa ampy taona tratra ny fanararaotana noho ny fahantrana mianjady aminy. Misy mantsy ny vola aloan’ilay olona mijery izany amin’ny tambajotra raha ny fanazavana azo teo anivon’ny polisy ka ampahany kely amin’izay vola miditra amin’ilay vazaha no mba azon’ireo zatovovavy malagasy.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre