Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Mila fandriam-pahalemana ny tany

Vatan-dehilahy miisa 1000 nentin’ny mpanjaka Andrianampoinimerina hanao fampandrian-tany manoloana ny fikasana hanongam-panjakana tany Tsiroanomandidy no nahatonga ny anaran’ny tanànan’Antananarivo. Nireharehan’ny mpanjaka mihitsy tamin’izany ny hoe “Arivolahy tsy maty indray andro”. Mampiseho io fiteny io fa tena maro io isa io ary vonona ny hiatrika sy hisedra ny mafy rehetra. Ankehitriny anefa dia manangona vata-miaramila indray ny fitondram-panjakana. Nataony im-pito avo heny ny tamin’ny an’Andrianampoinimerina izany satria 7000 isa ny miaramila sy zandary ary polisy havoaka hitandro ny filaminana mandritra ny fandraisana ny fivoriamben’ny frankofonia amin’ny herinandro ho avy io. Betsaka izany isa izany ary maneho fa tsy ataon’ny fitondram-panjakana ambanin-javatra ny fiarovana ny vahiny sy ny fananany. Afa-baraka rahateo i Madagasikara raha sanatria ka misy tsy tomombana eo amin’ny fandriam-pahaleman’ireo vahiny nasaina sy tonga hanatrika ny fivoriambe. Mahagaga ny vahoaka ihany anefa ny fepetra noraisina izay mampiseho fa toa ampy isa ihany ny mpitandro filaminana rehefa ilain’ny Fanjakana. Anisan’ny olana goavana eto amin’ny firenena mantsy ny tsy fahampian’ny mpitandro filaminana hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Ankoatra ny fahavitsiana dia tsy tomombana ihany koa ny ara-pitaovana ka mahatonga ny polisy sy zandary ho sahirana amin’ny asa sahanin’izy ireo. Sarotra tokoa izany hoe hanenjika olon-dratsy nefa na ny solika hampandehanana fiara aza manahirana. Lasa ny mpitandro filaminana indray no homen’ny vahoaka tsiny avy eo rehefa tsy tomombana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Hita anefa izao fa rehefa manana finiavana hametraka filaminana ny fanjakana dia mahita fomba hanatanterahana izany. Mila tohizana io ezaka io fa tsy hajanona rehefa mifarana ny frankofonia. Fanontanian’ny maro rahateo ny mahatonga ny antony tsy hanaparitahana ny mpitandro filaminana rehetra tsy ankanavaka ho eny anivon’ny fiarahamonina mba hiaro ny vahoaka. Misy an’aliny vitsivitsy ny polisy sy zandary ary miaramila raha atambatra ary ampy tsara hiaro ny vahoaka raha tena irahina hiasa hanao izany. Mahagaga anefa fa toa mijanona any amin’ny toby, na voatendry hanao asa hafa ny sasany amin’izy ireny. Maro mihitsy ireo manam-boninahitra tena mamiratra amin’ny sehatra misy azy ireny no lasa mpiasa birao sy tompon’andraikitra eny amin’ny minisitera hafa tsy misy idiran’ny filaminana. Maro ihany koa ireo mpitandro filaminana tsotra izay tena mafy be araka ny fomba fiteny no mijanona fotsiny any anaty toby na voatendry hanao asa hafa. Raha tena homena andraikitra hiaro ny vahoaka sy ny fananany anefa izy ireny dia inoana marimarina fa hihena tsikelikely ny tsy fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Mila atao laharam-pahamehana io fitandroana ny fahalemana io satria efa tena goragora ary karazan’ny tazanim-potsiny mihitsy amin’ny toerana maro. Tsy misy tsy mahalala izao fa feno mpanendaka eto an-drenivohitra na antoandro na alina nefa toa miandry hetsika manokana hatrany ny polisy vao mahita vokatra tsara. Raha ny tokony ho izy anefa dia isan’andro isan’ora ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Raha misy polisy mitam-basy iray isaka ny sampanan-dalana fotsiny mifarimbona amin’ny vahoaka amin’ny fanenjehana mpanendaka dia ho foana vetivety io tsy fandriam-pahalemana io. Tsy sahy miaro tena ny vahoaka noho ny tahotra ny ho voatsatok’antsy na voatifitra basy. Raha misy mpitandro filaminana manampy anefa dia inoana fa vonona hiray hina ny rehetra hanenjika sy hanakana izay mpanao ratsy mampijaly ny mpandalo amin’ny faritra rehetra eto an-drenivohitra. Matetika misy mpitandro filaminana ihany amin’ireny toerana be mpanendaka ireny saingy toa variana mifantoka amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana izy ireo. Eo Antanimena, ohatra, dia tena toerana iray anjakan’ny fanendahana nefa maro ny polisy mandrindra ny fivezivezen’ny fiara. “tsy manana basy aho” hoy ny mpitandro filaminana iray teny an-toerana raha nanontaniana ny antony tsy hanenjehany mpanendaka. Misy marina ihany ny fanazavany nefa mila itondrana vahaolana ihany koa.

 Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre