Andavamamba – Mpanendaka nifanenjehan’ny fokonolona
Miely eran’ny tànana ny tontakely sy mpanendaka amin’izao fotoana. Ny mampatahotra ny vahoaka dia tsy mifidy toerana sy ora intsony izy ireo amin’ny fanatanterahana ny asa ratsiny fa na antoandro be nanahary aza dia manendaka sy manao sinto-mahery izy ireo. Ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany tany ho any dia mpanendaka roa lahy no tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny no nifanenjehan’ny fokonolona. Araka ny vaovao azo dia ramatoa niandry taksibe teo amin’ny seranana akaikin’ny Jirama Andavamamba no lasibatr’izy ireo. Ity farany izay niakatra ny fiara mihitsy mantsy no avy dia nisontoman’izy ireo ny poketrany. Nahita izany ny mpiandry fiara iray dia nandeha avy hatrany nanenjika azy roa lahy. Ireto farany izay efa maana tetikady matipaika : ny iray manakan-dalana izay mikasa ny hanenjika ary ny iray misintona. Nilefa namonjy elakelan-trano ireo tonta kely ary rehefa nahita io lehilahy io nanenjika azy ny fokonolona sasany dia lasa koa mba nanenjika. Fotoana fohy taorian’ny nanenjehana azy dia natsipin’ireo mpanendaka ilay poketra rehefa hitan’izy ireo fa mitady ho tratra izy. Tsy hita tao intsony anefa ny finday raitran’ilay ramatoa voaendaka fa ny vola rehetra kosa dia mbola tao avokoa. Faritra mena amin’ny tsy fandriam-pahalemana iny toerana iny, indrindra fa manomboka amin’ny fito ora hariva. Iadivana ary matetika sarotra ahazoana taksibe eo Andavamamba sy ny manodidina rehefa maizina ny andro. Mahita izany ireo mpanendaka sy mpangarom-paosy dia efa mitoby manodidina ny Sicam sy ny tsenan’ny asa tanana ary miafina tsy misy mahafantatra mihitsy. Efa maro anefa ireo olona mitaky ny mba hametrahana mpitandro filaminana eny amin’ireny toerana ireny saingy zava-poana fotsiny izany fa dia avela manao ny ataony hatrany ny mpanao ratsy eto amin’ny firenena. Ny azo atao sisa dia ny mitandrina.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







