« Webcup 2016 » – Hotontosaina any Comores ny famaranana iraisam-pirenena
Tsy lany talenta ny Malagasy. Maro ireo mamiratra, izay mi aro ny voninahi-pirenena eran-tany amin’ireo taranja maro samihafa, raha tsy hiteny afa-tsy ny fandraisana anjarantsika malagasy amin’ny fifaninana mahandro sakafo izay hotontosaina ao Frantsa ny taona ho avy izao isika. Fantatra àry fa hotontosaina ao Comores ny famaranana iraisam-pirenenan’ilay lalao mitondra ny anarana hoe : « Webcup 2016 ». Ny faha-26 ka hatramin’ny faha-27 ny volana novambra ho avy izao no hotanterahina ity andiany faha-4 ity. Hifanandrina amin’ny firenena maro toa an’i Maurice, Mayotte, Rodrigues, Seychelles, La Réunion ny ekipa malagasy. Ny tanjona amin’ity lalao ity moa dia ny famoronana izay tranonkala tsara indrindra mandritra ny 24 ora tsy ankijanona. Ireto avy ny ekipa malagasy, izay mitondra ny anarana « Proud Geed » amin’ity andiany ity : Andriamamonjy Karen, Razafindrakoto Jary, Andriantsoamberomanga Andrianina ary Randriamasy Matthieu. Marihina fa izy ireo no nandresy tamin’ny fifaninana nasionaly izay notontosaina teto Antananarivo tamin’ny volana mey lasa teo. Voasafidy ho isan’ireo 240 mpikirakira solosaina eto amin’ny faritry ny Oseana indiana handray anjara amin’ity famaranana lehibe ity ireto farany. Marihina fa efa nibata fandresena ity ekipa nasionaly malagasy ity tamin’ny taona 2014 nandritra ny famaranana eran-tany natao tany Maorisy.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







