Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Frankofonia – Hifanao fotoana eny masay ny mpitondra scooter

Miseho amin’ny endriny rehetra ny jadona. Azo lazaina fa betsaka ny zavatra hiseho mandritra io vanim- potoanan’ny Frankofonia io eto Antananarivo. Efa mivonona amin’ny fepetra rehetra anefa ny fanjakana hiatrehana izany. Ho fanafenana ny fahantran’ny malagasy amin’ireo vahiny anjatony ho avy eto Madagasikara mandritra ny fivoriana antampon’ny frankofonia dia namoaka didy ny fanjakana  tamin’ny alalan’ny ministeran’ny fitanterana sy ny fandinihana ny toetrandro fa tsy mahazo mandeha ny scooter, ny sarety enti-tanana, ny posiposy, ny fiara ratsy sy ny fiara maloto manelanelana ny Ivato sy Iavoloha. Ary dia mbola miely ihany koa ny feo eny amin’ny tambajotran-tserasera eny fa tsy azo atao koa ny manao kapa manodidina ny tanànan’Ivato sy ny eto an-drenivohitra.  Efa miheny ihany koa ny feo fa tsy azo andehana eny amin’ny lalam-baovao vao namboarina afa-tsy ireo delegasiona irery ihany no mahazo mampiasa izany.

Ny ankamaroan’ny mpitondra kodiaran-droa scooter dia miaina ary mivelona amin’ny fitondrana azy ireny ary ho fanoherana izany didy jadona navoakan’ny fanjakana Malagasy izany dia mifanentana amin’ny facebook izy ireo hanao hetsika. Eny Andranobevava eny amin’ny farihin’i Masay ny fotoana ny talata 22 novambra amin’ny 10 ora maraina. Aorian’izay dia hiara-hiainga hamonjy ny tobin-dasantsy eny Anosizato avy eo  hiara-hirona eny Ivato. Manahirana ity raharaha frankofonia ity satria rehefa tena dinihina dia hatao toy ny tanàna maty mihitsy eto Antananarivo manomboka ny zoma izao ka hatramin’ny zoma heriny.  Nandeha manko ny fanambarana fa na ny bus aza tsy misy mahazo miasa amin’ny lalana mankany Iavoloha mankany Ivato. Dia mahagaga ny rehetra ihany tokoa ny mety ho fampiharana izany rehetra izany.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre