Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Faritra Sava – Tsy azo atao intsony ny mamoaka vaovao ao amin’ny “Facebook”

Milatsaka ny ramatahora avy any amin’ny faritry ny lavanila sy ny bois de rose. Namoaka didy ny manam-pahefana ao amin’ny faritra Sava (Sambava, Vohemar, Antalaha, Andapa)  fa tsy azo atao intsony ny mamoaka vaovao manalabaraka na manaratsy ny faritra  ao amin’ny facebook, indrindra fa ireo zanaky ny faritra na olon-tsotra izany na mpanao Gazety . Eny fa na vaovao tsara na ratsy ka tsy nahazoana alalana avy amin’ny faritra fa mahavoasazy. Tsy hitsitsy ary dia hovidiana lafo izany hoan’ireo izay mbola minia manao ny mifanohitra amin’izany. Izany moa dia taorian’ireo trangan-javatra maro nifanesisesy niseho tany amin’ity faritra ity. Efa maha voaheloko koa ankehitriny ny manaparitaka vaovao sy mizara izany amin’ny havana aman-tsakaiza mipetraka lavitra. Raha dinihina ny zava-misy any an-toerana dia ho toy ny any Korea avaratra koa izany iny faritra iny.

S.A

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre