Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Sem Razanakolona Odon Marie Arsène – Nankalaza ny fetin’ny olomasina mpiaro azy

Raha tsiahivina dia tamin’ny 12 aprily, tamin’ity taona 2016  ity no nankalazaina ny faha-70 taona nahaterahan’i Sem Razanakolona Odon Marie Arsène, ny faha-40 taona nanamasinana azy ho Pretra, ny faha-17 taona nanandratana azy ho Eveka ary ny faha-10 taona nametrahana azy ho Arsevekan’Antananarivo.  Omaly talata  15 novambra kosa ny andro natokan’ny diosezin’Antananarivo hankalazana ny fetin’ny olomasina mpiaro azy. Lamesa lehibe no nentina nanamarihana izany tao amin’ny katediraly Andohalo. “ Ao e ny Tompo, mitady anao izy” ( Md Joany 11, 28), no andian-teny tao amin’ny Soratra Masina entiny miaina amin’ny maha mpisorona azy. Nantitranteriny nandritra ny toriteny fa “miantso ny olombelona rehetra mba hibebaka Andriamanitra. Tiany isika,  nofidiany ary nanankinany adidy. Tsy sitraky ny Tompo ny fanompoana vola fa mampanana toetra hafa ka mitaky fahaiza-mandanjalanja”. Izany no takiana dia mba hifanentana amin’ny maha kristianina ny zavatra atao. Nisy ny fanolorana “jaka” ho an’ny Raimandreny nataon’ireo kristianina tonga nanotrona ity fotoana ity. Tamin’ny teny fisaorana no nanentanany ny mpino katolika rehetra mba hivavaka ho an’ny diosezy  mba hahazo eveka mpanampy satria tena maro tokoa ny adidy aman’andraikitra sahaniny. Nambarany koa fa amin’ny 11 Desambra izao ny famaranana ny fankalazana ny jobilin’ny Famindram-po eto amin’ny diosezin’Antananarivo, raha ny fankalazana ny fetin’i Kristy Mpanjaka kosa ny famaranana any Roma.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre