Frankofonia – Andro fiasana amin’ny zoma
Niandry vasoka ireo nanantena faran’ny herinandro lavalava hamaranana ny frankofonia. Namoaka fanambarana ny fiadidiana ny primatiora fa tsy mitombina velively ny resaka mandeha fa andro tsy fiasana nefa handraisana karama amin’ny zoma izao. Maro ireo nihevitra fa toy ny nanerena ny mpianatra handeha hiala sasatra mandritra ny herinandro dia atao andro tsy fiasana ihany koa ny zoma izay tena ivorian’ireo filoham-panjakana rehetra hitsidika eto amintsika. Tsy dia nahagaga ny maro ihany io fanapahan-kevitra io satria efa mahazatra. Tsy mba manome andro tsy hiasana maimaimpoana ho an’ny vahoaka izany mantsy ity fitondram-panjakana mijoro ity. Misy kosa ireo mihevitra fa matahotra hetsika politika ny mpitondra dia manao izay hitazonana ny mpiasa any am-piasana amin’izay tsy manana fotoana hidinana an-dalambe. Mety hisy rahateo ny hetsika fanehoan-kevitra an-kalamanjana ny sabotsy izao.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







