Ambalavery Avaratra – Trano 12 sy entana mitontaly 15 tapitrisa ariary ravan’ny afo
Mirongatra ary tsy hay intsony hoe inona loatra no mahatonga ny haintrano lavareny miseho etsy sy eroa ity. Ny talata lasa teo dia nisehoana trangana haintrano mahatsiravina tany amin’ny tànana iray antsoina hoe Ambalavely Avaratra, ao amin’ny kaominina Antsakabary ao amin’ny distrika Befandriana Avaratra. Araka ny vaovao voaray dia tao amin’ny tokantrano iray izay tafotrano bozaka no niandohan’ny afo. Tsy fantatra mazava anefa no tena fototry ny afo na fatapera tsy maty tsara na labozia mbola nirehitra satria tamin’ny 1 ora maraina tany ho any no nisehoan’ity tranga ity. Vetivety dia niparitaka ny afo ary tao anatin’ny minitra vitsy dia trano miisa 12 no tsy nisy noraisina intsony. Mitontaly 15 tapitrisa ariary ihany koa ny entana may tamin’izany. Vokatr’izany dia olona miisa 60 no tsy manan-kialofana, tsy misy kosa ny aina nafoy.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







