Sambava – Zaza 3 matin’ny aretina tsy fantatra
Tao anatin’ny ora vitsy monja no nifandimby namoy ny ainy ny zazakely miisa 3 tany Farahala Sambava. Nitovy avokoa ny tranga nanjoa azy ireo satria nandoa, dia te hisotro rano ary avy eo tonga dia miaka-boamaso manary aina. Ny iray hafa ihany koa voa tahaka ireo 3 ireo saingy avotra izy noho ny fitondrana azy haingana tany amin’ny mpitsabo. Efa nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny tompon’andraikitry ny fahasalamana sy ny manam-pahefana ary nilaza fa tsy mbola afaka miteny ny fisian’ny valan’aretina. Izany hoe tsy mbola fantatra mazava na areti-mifindra na fanapozinana tamin’ny alalan’ny sakafo no nahazo ireo tsy manan-tsiny ireo. Mihorohoro ny mponina noho izany satria arakaraka ny tsy fahafantarana ny zava-mitranga no vao mainka mampitombo ny tsaho sy ny siosion-dresaka. Ny fitandremana mafy amin’ny alalan’ny fanaraha-maso ny zaza, noho izany, no vahaolana akaiky indrindra hisorohana ilay aretina.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







